Dans la mme rubrique

Fifidianana tao Moramanga « Tsipahinay ny fanafoanana safidim-bahoaka »

20/01/2020

Fandikan-dalàna faobe hita tamin’ny fitsirihana ny antontan-taratasim-bato, ka tsy hahafahana mamoaka voka-pifidianana tsy mitanila no nambaran’ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana fa nanafoanana ka hamerenana ny fifidianana ao amin’ny kaominina Moramanga Renivohitra.

Fifidianana tao Moramanga « Tsipahinay ny fanafoanana safidim-bahoaka »

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina “Tokony ho mpiara-miasa akaiky ny fanjakana sy ny kaominina”

20/01/2020

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny fahalaniana ho ben’ny tanàna teo amin’ny kaominina Ampitatafika taorian’ny fitoriana nataon’ny kandidàn’ny IRK ka nandresy i Rado Ramparaoelina, voafidy tamin’ny antoko TIM.

Rado Ramparaoelina “Tokony ho mpiara-miasa akaiky ny fanjakana sy ny kaominina”

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny fironana an-tanàn-dehibe Fitsinjaram-pahefana tena izy no vahaolana

20/01/2020

Nifantohan’ny adihevitra nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny resaka fanesorana mpivarotra amoron-dalana eto Antananarivo Renivohitra.

Ady amin’ny fironana an-tanàn-dehibe Fitsinjaram-pahefana tena izy no vahaolana

Hamaky ny tohiny...

Governemanta Ntsay Mahatanteraka ny vinan’ny filoha marina ve ?

20/01/2020

Feno herintaona i Andry Rajoelina no filoha, karazan-javatra sy fihetsiketsehana maro no nitranga tao anatin’izany.

Governemanta Ntsay Mahatanteraka ny vinan’ny filoha marina ve ?

Hamaky ny tohiny...

Rajoelina sy ny IEM Miandry asa tena mivaingana ny vahoaka

20/01/2020

Herintaona omaly, 19 janoary 2020, no nanaovan’ ny filoha Rajoelina fianianana teny amin’ ny kianjaben’ i Mahamasina ka nitondrany ny firenena.

Rajoelina sy ny IEM Miandry asa tena mivaingana ny vahoaka

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao “Aleo ny marina no lazaina !”

20/01/2020

Taorian’ny fanambarana nataonà andiana loholona notarihin’ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona faritany Antananarivo,

Rivo Rakotovao “Aleo ny marina no lazaina !”

Hamaky ny tohiny...

Filankevitry ny fampihavanana Mila ampifandrindrana ny lalàna sy soatoavina Malagasy

20/01/2020

Manaraka tsara ny raharaham-pirenena ny CFM, hoy ny filoha lefiny, Gérard Ramamimampionona, raha nanontaniana ny fipetrak’izy ireo

Filankevitry ny fampihavanana Mila ampifandrindrana ny lalàna sy soatoavina Malagasy

Hamaky ny tohiny...


Politique

Betampona-Fenoarivo Atsinanana Niova tampoka ny anaran’ny ben’ny tanàna

14/01/2020

Rakoto Justin dit Ralonga, kandida miaraka amin’ny antoko Tia Tanindrazana tao amin’ny kaominina Betampona Fenoarivo Atsinanana no efa notononin'ny Fitsarana ao Toamasina fa lany ho ben’ny tanàna,

 

 

 

 araka ny fanambarana ofisialy tamin'ny alarobia 08 janoary lasa teo. Omaly alatsinainy anefa, dia gaga ry zareo raha nahita fa ny kandida tsy miankina Serge Bezaka indray no vosoratra fa lany anaty peta-drindrina, hoy ny fampitam-baovao. Diso tsipelina tahaka ilay kandida tsy tafiditra tao amin’ny bileta tokana tamin’ny fifidianana sa fanahy iniana novaina tsotra izao ny anarana ? Manahy Rakoto Justin sy ireo mpanohana azy sao misy zavatra hafahafa, eny mety kolikoly mihitsy aza ao ambadik’izao fanovana anarana tampoka izao. Andrasana ny fanazavana ofisialy avy amin’ny tompon’andraiki-panjakana eo anatrehan’ity toe-draharaha ity. 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana