Dans la mme rubrique

Famerenan-danja ny vaky boky Tafiditra ao anatin’ny «fanekem-pandaharan’asa»

20/02/2020

Anisan’ireo fifanekem-pandaharan’asa (contrat programme) nataon’ny minisiteran’ny serasera sy kolontsaina tamin’ny filoham-pirenena ny famerenana ny vaky boky any an-dakilasy.

Famerenan-danja ny vaky boky Tafiditra ao anatin’ny «fanekem-pandaharan’asa»

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny haino aman-jery Onjam-peo maro no mety hakaton’ny fanjakana

20/02/2020

Nesorina tamin’ny toerany araka ny fanapahan-kevitry ny filankevitry ny minisitra natao ny 13 febroary lasa teo ny tale misahana ny “Regulation des Medias”

Tontolon’ny haino aman-jery Onjam-peo maro no mety hakaton’ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Fitsarana sy Fanabeazam-pirenena Voatendry ireo sekretera jeneraly vaovao

20/02/2020

Mpiasam-panjakana ambony miisa 2 izay heverina fa hitazona toerana tena saropady eto amin’ny firenena no voatendry nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly alarobia 19 febroary.

Fitsarana sy Fanabeazam-pirenena Voatendry ireo sekretera jeneraly vaovao

Hamaky ny tohiny...

Paraky-Soanierana Maloto sy maimbo tanteraka ny tanàna

20/02/2020

Miantso ny tompon’andraikitra rehetra eto an-tanàna mba hijery akaky ny fako etsy amin’ny Paraky Soanierana fa efa tsy rariny intsony.

Paraky-Soanierana Maloto sy maimbo tanteraka ny tanàna

Hamaky ny tohiny...

Mpiasan’ny CNAPMAD Hatramin’izao tsy azo ny karama janoary

19/02/2020

Mitaraina ho tsy mbola nahazo karama volana janoary ny mpiasa amin’izao fotoana. « Very fanahy mbola velona izahay mpiasa ato amin’ny CNAPMAD (Centre National de Production de Matériel Didactique),

Mpiasan’ny CNAPMAD Hatramin’izao tsy azo ny karama janoary

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana Tandroharena Tsy mety ny « ascenseur » ao amin’ny lapan’i Manjakamiadana

19/02/2020

Nanambara ny avy eo anivon’ny Tandroharena na fikambanan’ireo mpikaroka momba ny vakoka sy lova ary harem-pirenena fa voasokajy ho anisan’ny vakoka ny rovan’i Manjakamiadana.

Fikambanana Tandroharena Tsy mety ny « ascenseur » ao amin’ny lapan’i Manjakamiadana

Hamaky ny tohiny...

Tany 60 000 ha any Bas-Mangoky “Ahiana ho lasan’ny Arabo tahaka ny any Serbie”

19/02/2020

Mitohy ny ahiahy amin’ny fanomezana 60 000Ha hampisain’ny orinasa Arabo Emirate Elite Agro LLC,

Tany 60 000 ha any Bas-Mangoky “Ahiana ho lasan’ny Arabo tahaka ny any Serbie”

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Haino aman-jerim-panjakana Miha mangotraka ny raharaha

13/01/2020

Naparitaka haingana dia haingana tamin’ny tambajotran-tserasera omaly ny resaka nentina nilazana fa misy mikononkona fikomiana ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana TVM sy RNM izay manome ny ORTM.

 

Tsy fanekena ny tsy fanavaozana ny fifanarahan’ireo mpiasa tsy raikitra ECD no voalaza fa antony, ka misy ny fanentanana hanao akanjo mainty, hoy io resaka naely io. Nambara fa olom-bitsy niray tendro tamin'ny fitondrana teo aloha no mikonokonona mandefa ny « sms » hanentanana ny mpiasa. Notononona ny anaran’ny mpanao gazety Bertrand Ranaivomanana sy Hery Rakotomalala ambara, fa mitarika ny mpiasa tsy ara-dalàna. “Izaho Hery Rakotomalala mpanao gazety eto amin'ny TVM foibe Anosy,dia manambara amin'ny fomba ofisialy fa tsy mihevitra ary tsy manana eritreritra hanakorontana ny haino aman-jerim-panjakana. Fanosoram-potaka,fanaratsiana tsotra izao izany,ary fankahalàna manokana.Tsy lalan-tsaiko hatramin'izay izany, noho ny foto-kevitra manaja ny sata repoblikana ananako. Manaja sy manaiky ny mpitondra ny firenena aho. Noho izany disoiko tanteraka io fanelezana vaovao tsy marina momba ahy sy ny mpiara-miasa amiko io”, hoy kosa ny fandisoana nataon’Atoa Hery Rakotomalala. Tsy tongatonga ho azy ny resaka ohatr’izao, niainga tany amin’ny fanelezana resaka tamin’ny tambajotran-tserasera, fa misy olona toa tiana hopehana ao. Efa hatrany amin’ny volana aprily no nisy fandroahana mpiasa nataon’ny Minisiteran’ny serasera noho ny fihetsika tamin’ny Tagnamaro, izay nahazo rariny rehefa nampiakatra ny raharaha. Mitohy aty amin’ny fanalana mpiasa ECD izay nisy ny nitaraina fa 16 taona niasana kanefa lasibatra. Mafana ny raharaha satria samy manana ny heveriny ho marina sy rariny ny andaniny sy ny ankilany, ary samy manana tombotsoa arovana. Maro no mitandrina satria izay tsy mitovy loko politika amin’ny mpitondra mety ho tratry ny fanilihana ihany koa.

 

Nisy ny fampitam-baovao omaly hariva avy amin’ny Tale Jeneralin’ny ORTM  Atoa José Belalahy nitondra fanampim-panazavana. Navoitra ary fa nisy ny tomban’ezaka momba ny mpiasa tsirairay, ka ho an’ireo mpiasa tsy raikitra dia nisy ny azo nohavaozina, ary misy no nofaranana. Miisa 368 ny mpiasa, ka ny 147 dia ao anatin’ny sokajy ECD, izay tsy maintsy anaovana tombana. Miisa 52 ireo tsy nohavaozina intsony ny fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ity taona 2020 ity.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana