Dans la męme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanĂ na.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

ANDRAMASINA Nidoboka am-ponja ilay reny nanary zanaka tany anaty WC

10/01/2020

Naiditra any am-ponja ny talata teo ilay renim-pianakaviana nanary ny zanany, tany anaty lavam-piringa tany Andramasina, Fokontany Ambohimarina, ny voalohan’ny taona teo.

 

 

 

 

 Io ny vokatry ny fampiakarana fampanoavana tany Ambatolampy taorian’ny famotoran’ny mpitandro filaminana araka ny resaka manokana nifanoavana tamin’ny lehiben’ny tobimparitry ny zandariamariam-pirenana ao Andramasina. Ilay zaza kosa dia napetraka any amin’ivon-toeram-pitaizana zaza kamboty na “centre social”.  Voalazan’ny manodidina sy ny manam-pahefana any an-toerana ary nohamafisin’ny zandary fa salama saina tsara ity renim-pianakaviana nahavanon-doza ity. Niteraka tsy nanambady moa izy ka heverin’ny mponina fa ny fahasahiranany ara-pivelomana no nahatonga azy nanaotao foana toy izao. Vesatra ho azy tamin’ny fiarahamonina ihany koa ny fahafaham-baraka raha ny fintantarany tamin’ireo akaiky azy, araka ny fiheveran’ny tany amamonina  azy fa bevohoka tsy manambady. Any amin’ny fonjan’Ambatolampy moa ity renim-pianakaviana ity no miandry ny  fitsarana azy, izay vao maika nidiram-pahasahiranana tanteraka.

Etsy andaniny, vahaolana azony natao ny nitady mpitaiza ho an’ilay zaza tsy manantsiny. Ao mantsy ireo tsy mety mahazo zaza no maniry fatratra saingy tsy afa-manoatra ka tapakevitra fa hanangan-janaka. Manoloana ireo mpanangan-jaza ihany koa mila arahina maso aorian’ny didim-pitsarana fa tsy kely lalana ny ratsy amin’izao trafika ana olona izao.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana