Dans la męme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanĂ na.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Lavanila Antalaha Voasambotra ilay mpanera nisoloky 27 tapitrisa Ar

09/01/2020

Lehilahy iray no voasambotry ny Polisim-pirenena CSP1 ny alatsinainy teo teny Analakely noho ny fisolokiana lavanily milanja 27 kilao.

 

 

 

Lehilahy 2 tantsaha avy any amin’ny faritra Antalaha iny no nikaroka mpividy teto Antananarivo nanomboka ny 2 novambra 2019, ka ny alatsinainy 16 desambra teo izy no nisy lehilahy mahafantatra mpividy. Mitentina 27.000.000 ariary ny vidin’ireto lavanily ireto. Nanomboka teo no nisian’ny fifandraisana teo amin’ilay lehilahy milaza ho mahita mpividy sy ny tompon’entana. Ny alatsinainy 6 janoary teo ary dia tonga tao amin’ny trano fonenan’ilay tompon’entana ireo olona voalaza fa hividy ilay lavanily sy ilay lehilahy nahita ireo mpividy ireo. Nifanaraka ary fa eny amina Banky iray eny Analakely no handoavana ny vola. Ilay lavanily kosa anefa dia efa nobatain’ireo mpividy ary noentiny tanaty taxi. Ny andron’io dia namonjy banky izy ireo. Nampiandrasin’ilay mpividy tao anaty fiara ilay tompon’ny lavanily sy ilay lehilahy nahafantarana azy ireo fa izy andeha haka ilay taratasim-bola ao amin’ny banky. Rehefa niditra tao anefa ity lehilahy milaza mpividy dia nivoaka tamin’ny vavahady iray avy ao ambadika. Nampandre ny mpitandron’ny filaminana ny tompon’entana ka notazomina ilay lehilahy niray tsikombakomba tamin’ilay mpividy lavanily.

Haja Nirina

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana