Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fanalam-baraka anaty facebook Voasambotra ilay nandrahona hanapariaka sarina mpivady mitanjaka

09/01/2020

Lehilahy iray no voasambotry ny polisin'ny « division cybercriminalité » Anosy ny 7 janoary teo noho ny fanalam-baraka avy amin'ny alalan'ireny kaonty vorondolo na « compte fake » ireny.

 

 

 

 

kaonty vorondolo no nangataka ho naman'ilay vehivay tao anaty Facebook. Tsy fantany io ka tsy nekeny. Gaga anefa izy taorian'izay fa efa tafiditra tao anatin'ilay kaontiny izy ary azony ny sarin'izy mivady miboridana tao. Nandrahona ny hanaparitaka ireo sary miboridana ireo ity lehilahy ity raha tsy manome ny vola 500 000 ariary. Noho ny tahotra ny hiparitahan'ireo sary ireo sy ny fahafam-baraka ahazo azy dia nanome ny ampaham-bola ity vehivavy. Nametraka fitoriana avy hatrany tao amin'ny “cybercriminalité” ity farany ka nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny polisy. Nosamborina avy hatrany ilay tovolahy rehefa fantatra avokoa fa ilay lehilahy niangavy ho namana tamin’ny facebook  no tao ambadik’ilay kaonty vorondolo. Tsy vao ela akory ny Polisy no nahatratra lehilahy iray hafa nanao kaonty vorondolo ary nanaparitaka sary miboridana vehivavy iray izay efa manambady tany amin’ny fianakavian’ilay vadiny sy ny rafozany rehefa tsy nety niaraka taminy ity farany. Efa hitan’ny Polisy ihany koa ny tao ambadik’ilay kaonty vorondolo ary efa nosamborina ka natolotra ny fitsarana.Maro ny tsy mahafehy ny teknolojia avo lentan’ny tambazotran-tserasera ka miditra amin’ny fiainan’olona manokana. Ao koa anefa ireo tsy malina ka mitahiry ny sary saro-pady anaty facebook ka ararotin’ireo jiolahin’ny teknolojia vaovao.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana