Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Kamiao nitrifana teny Maibahoaka Maty tsy tra-drano ilay vehivavy, lehilahy iray tapa-tongotra

08/01/2020

Maty tsy tra-drano ilay vehivavy, tapaka kosa ny ranjon’ny lehilahy iray nitsahin’ny kamiô teny Maibahoaka Ivato,

 

 

 

omaly tamin’ny 10 ora sy sasany atoandro. Vokatry ny fandehanana mafy no tsy nahafehezan'ny mpamily ilay fiara izay tapaka hisatra rahateo. Rehefa tonga nifanandrify teo amin'ny sampanana mankany  amin'ny hôtel Paon d'Or  ilay fiara dia nisongona môtô  ary dia nirifatra tany amin'ny "trottoir". Nanitsaka mpandeha an-tongotra roa izy noho izany, araka ny fampitam-baovaon'ny kaompanian'ny Zandarimariam-pirenena Ambohidratrimo.

Nidina teny ifotony nizaha ny tranga ny Zandary ao amin'ny paositra Mandrosoa Ivato sy ny Dokotera lehiben'ny toeram-pitsaboana Talatamaty. Efa nalefa eny amin'ny fianakaviany Ambohibao ny razana. Ilay lehilahy tapa-dranjo kosa efa mahazo ny fitsaboana sahaza azy eo amin'ny CSB Talatamaty. Ny mpamily moa voatana ary atao famotorana amin'ny borigadin'ny zandary Talatamaty.

Nisesy ny loza tamin’iny lalan’Ivato iny tato ho ato. Anisan’ny mampamiromiro ireo mponina ny firimorimon’ny fiara kanefa lalan-telo fotsiny no mifanena amin’iny fa ao ireo mizotra roa andaniny avy avy aty Talatamaty sy avy any Ivato. Mitaky fandokoana fanasarahana mazava ireo lalana ireo, indrindra amin’ireo fiolahana tsy ifankatazamana.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana