Dans la mme rubrique

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...

Andavamamba Mpanendaka roa lahy indray no tratra

20/03/2020

Lehilahy roa, 23 sy 21 taona no voasambotry ny polisy miasa ao Isotry omaly 19 martsa 2 noho ny resaka fitondrana zava-maranitra teny an-dalambe sy fanafihana mitam-piadiana.

Andavamamba Mpanendaka roa lahy indray no tratra

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fifandonana tany Soavinandriana Itasy Nitifitra ny zandary, olona 3 maty

08/01/2020

Gidragidra ny tao amin’ny Kaominina Ambanivohitr’i Dondona any Soavinandriana Itasy omaly.

 

 

Nifandona ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka, ka tonga hatrany amin’ny fitifirana izay namoizana ain’olona, raha ny fampitam-baovao vonjimaika voaray avy any an-toerana. 3 no efa tena azo antoka fa maty, araka ny fampitam-baovaon’ny olon-tsotra avy any an-toerana, saingy nisy ihany koa ny loharanom-baovao hafa nilaza fa efa tafakatra 5 izany. Andrasana izay tena akony sy ny fampitam-baovao ofisialy mikasika ity toe-draharaha ity, fa raha ny fanazavana vonjimaika dia niainga tamin’ny fifamaliana teo amin’ny mpivarotra trondro sy ny zandary ny disadisa. Nisy ny fifamaliana nandritra ny fitakiana vola tamina mpivarotra trondro. Tsy nahazaka ilay zandary ka nodarohany tamin’ny vodi-basy ilay mpivarotra sady nohitsakitsahiny, ka torana, hoy hatrany ny fanazavana vonjimaika. Nentina teny amin’ny hopitaly, saingy tsy tana ny ainy noho ny dona nahazo azy. Nanomboka teo, dia nihamafy ny fifandonana satria tezitra ny olona, ka izay no nahatonga ny fitifirana, raha ny tatitra azo. Izay no tatitra sy fanazavana vonjimaika, fa andrasana kosa ny tena ambaran’ny manam-pahefana sy ny tompon’andraikitra eo anatrehan’ny zava-misy. Na inona na inona antony, dia tsy eken’ny lalàna ary mifanohitra amin’ny zon’olombelona ny herisetra sy ny fifamonoana, ary ny fandatsahana ain’olona, izay tokony hosorohana foana. Tamin’ny herinandro ambony no nisian’ilay raharaha zandary nitifitra olona sy nahafaty olona tao anaty “bar”, dia io fa miseho indray ihany koa ny gidragidran’ny zandary sy ny fokonolona tany Soavinandriana Itasy. Tsy natao hanamelohana na hankahalana, fa toa miha mitombo ny heretran’ny mpitandro ny filaminana. Manaporo izany ny antontan’isa toy ny avy amin’ny zandarimaria fa mananika ny 80 no misazy. Mifameno ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana fa tsy sanatria mpifanandrina, ka hifampiandry an-kendritohana.

Toky R

 

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana