Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fipariahan’ny basy entin-jiolahy Andosiran’ny mpizahan-tany Toamasina

07/01/2020

Araka ny resaka nifanaovana tamin’ny tompona trano fandraisam-bahiny avy any Toamasina, mihena isan-taona ny mpiala sasatra any an-toerana noho ny fihanaky ny tsy fandriam-pahalemana.

 

 

Tamin’ity fetin’ny krismasy sy taom-baovao ity dia ireo zana-tany ihany no ankamaroan’ny mpandeha taksibrosy nidina tany an-toerana. Faritra mena tanteraka noho ny asan-jiolahy Toamasina, noho ny fanafihana mitam-piadiana. Na ny mponina ao amin’ny renivohitry ny Faritra antsinanana aza mikolay noho ny fipariahan’ny fitaovam-piadiana mahery vaika any an-toerana. Ireo fanafihana rehetra dia saika tanterahin’ny malaso amin’ny basy mahery vaika. Ankoatra ilay zandary voatifitry ny jiolahy, ny 30 desambra teo ihany koa nisy tokantrano iray teo Tanambao Verrerie, notafihin’ny tsy valahara roa mirongo basy, izay andro atoandro be nanahary tamin’ny 10 ora.  Ny 3 janoary teo ihany koa, lohana teratany karana zokiolona iray no voavelin’ireo tsy mataho-tody tamina vody basy. Ankoatra ny herisetra, norobain’ireo olon-dratsy mitam-piadiana ny finday sy ny vola matin’ity mpivaro-damba teo Anjoma ity izay mananika ny 8 hetsy ariary. Maro amin’ireo tanana any an-toerana no tsy mety andehanan’ny posy sy fiara karetsaka noho ny tsy fandriampahalemana. Ny mpiavy no tena hazain’ireo mpanao sintomahery, indrindra vao mibaby sakaosy. Miandrandra paik’ady hentitra ho an’Antananarivo sy Toamasina ny olom-pirenena fa mihanaka izay tsy izy ny asan-jiolahy.

 

Haja Nirina

 

Andosiran’ny mpizahan-tany noho ny fanafihana mitam-piadiana i Toamasina (Sary fanehoana)

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana