Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Adin’ny mpivady Sahy nandatsa-drà ny vehivavy tato ato

07/01/2020

Ankoatra ilay faty nentina fiara-karetsaka ny alakamisy teo, naratran’ny antsy nataon’ny vadiny indray ny raim-pianakaviana teny Ivandry.

 

Araka ny angom-baovao, tsy nisy vola mihitsy tao amin’ilay tokantrano, afak’omaly alina. Tonga avy any anefa ilay lehilahy nikirakira vola teo imason-dravehivavy ary tsy nanome azy mihitsy. Nakan-dravehivavy 2 000 ariary izany ary nofihininy mafy tao anatin’ny tanany. Fara herin-dralehilahy dia nokekeriny ny tanan’ny vadiny sady nomeny ny kotro-doha. Nentim-po ka naka antsy ilay vehivavy ka naratra ny sandrin’ny vadiny. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy izy ary tsy misy ahiana ny ainy, raha ny filazan’ny polisy. Voalazan’ireo manodidina moa fa efa mpivady tia ady izy roa ireto. Amin’ny fotoana tsy fisian’ny vola ao an-tokatrano matetika no itrangan’ny ady toy izao. Voalaza koa fa tsy misy mpananatra izy ireo ka samy manao izay saim-pantany ary izao niafara tamin’ny fifandratrana izao. Mampametram-panontaniana ny fampideran’ilay lehilahy vola kanefa ilay renim-pianakaviana sahirana tsy manan-karotsaka.Tsapa ho miha mahery setra ny vehivavy Malagasy ankehitriny, ary maro no tsy manaiky sokajiana ho fanaka malemy izany intsony ; voizina mafy koa moa ny resaka miralenta efa ho 10 taona mahery izao, ka mety ho izay koa ve no mahatonga ny vehivavy tena midaroka sy sahy mamono mahafaty mihitsy ?

 

Haja Nirina

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana