Dans la mme rubrique

Tontolo Iainana Sendaotra ny minisitra Vahinala Raharinirina tany Toamasina

16/03/2020

Tamin’ny fitsidihan-dRtoa Vahinala Baomiavotse Raharinirina, Ministry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny orinasa HITA (Huilerie de Tamatave) no nanamarihany fa mbola misy ny ezaka ilaina hanajan'ity orinasa ity lamina takiana satria misy fofona hafahafa mivoaka ivelany,

Tontolo Iainana Sendaotra ny minisitra Vahinala Raharinirina tany Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Hopitalim-panjakana ao Moramanga Nahazo fiara sy fitaovam-pitsaboana avy amin’Ambatovy

11/03/2020

Laharampahamehana voalohany ho an’Ambatovy ny fahasalamana sy ny fikojakojana ary ny fitandroana ny aroloza ka taratra ao anatin’ireo hetsika maro samihafa efa notanterahina ho fampandrosoana ireo faritra iasan’ny orinasa izany.

Hopitalim-panjakana ao Moramanga Nahazo fiara sy fitaovam-pitsaboana avy amin’Ambatovy

Hamaky ny tohiny...

TOLIARA Hahazo asa fivelomana maharitra ny vehivavy

09/03/2020

Tokony hiezaka hilofo amin’ny fianarana hatrany ny tovovavy fa tsy maimaika hiditra ao anaty tokantrano,

TOLIARA Hahazo asa fivelomana maharitra ny vehivavy

Hamaky ny tohiny...

Mpisehatra amin’ny harena ankibon’ny tany Niara-nientana namboly hazo

09/03/2020

Nanatontosa fambolen-kazo tao amin'ny kaominina ambanivohitra Ampitatafika, distrikan'Antanifotsy ireo mpandraharaha eo amin'ny

Mpisehatra amin’ny harena ankibon’ny tany Niara-nientana namboly hazo

Hamaky ny tohiny...

Fisondrotam-bidim-piainana Efa tena tsy zakan’ny mpanjifa intsony

06/03/2020

Nihamafy ny fidanganam-bidim-piainana ny taona 2020 ka tokony hampiharina haingana ny lalàna fiarovana ny mpanjifa, hoy ny filoha mpiaro ny zon’ny mpanjifa, Ralita. Ilaina,

Fisondrotam-bidim-piainana Efa tena tsy zakan’ny mpanjifa intsony

Hamaky ny tohiny...

Mpampiasa ny volam-panjakana Olana ny fahasarotan’ny lalàna

05/03/2020

Nifarana omaly ny atrikasa fanavaozana ny paikady amin’ny fitantanana ny volam-panjakana.

Mpampiasa ny volam-panjakana Olana ny fahasarotan’ny lalàna

Hamaky ny tohiny...

Fahantran’ny ankizy malagasy Refesina amin’ny teknika vaovao MODA

05/03/2020

Mikarakara atrikasa mandritra ny 2 andro ny Vondrona Iraisam-pirenena miaro ny ankizy sy ny zony (UNICEF) miaraka amin’ny INSTAT.

Fahantran’ny ankizy malagasy Refesina amin’ny teknika vaovao MODA

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Fikarakarana taratasy Lolohavina hatrany ny vahiny

07/01/2020

Velon-taraina tanteraka ny mponina manamorona iny lalana Boulevard de l’Europe mitohy hatrany amin’ny rocade iny amin’izao fotoana izao. Misy Malagasy mba mividy tany kely

 

 

amin’ireny ihany mantsy na dia efa saika totofana ho lasan’ny Karana sy Sinoa avokoa ny ankamaroan’ireny. Vetivety monja dia voatototra ny tany, mitsangana ny trano, tafiditra ny jiro sy rano! Ireo vahoaka Malagasy madinika mividy ny tany anefa tena mivoaka sempotra ary drodraky ny fivezivezina amin’ny fanamboarana ny taratasy. Mazava ho azy fa tsy maintsy mampiteny ny volany aloha ireo mpandraharaha mpanambola mpividy sy mpangorona ny tany  misy eto ireo. Izany mihitsy no mahavelon-taraina ny maro satria tokony amporisihina sy ampiana mihitsy aza ny Malagasy izay mba mahavidy tany. Izay mba mahavidy amoron-dalana ihany koa dia mitebiteby sy miahotra amin’izao fotoana izao satria tapitra lasan’ny vahiny ny eny ary mbola tadiaviny ho vidina hatramin’ny kely ananan’ny Malagasy. Amin’izany rehetra izany dia tsy vitsy ny milaza na ireo vahiny na ny Malagasy tompontany fa efa lafo i Madagasikara fa fombafomba sisa ary hasarotina tanteraka ny fikarakarana taratasy amin’ny lafiny rehetra amin’izao fotoana izao.

Tsirinasolo

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana