Dans la mme rubrique

TENCE MENA

09/04/2020

Nivoaka ihany ny marina momba an'i Tence Mena ary nety nanazava ny nanjo azy izy.

TENCE MENA

Hamaky ny tohiny...

NIANDRY ORA MARO IREO MPANDEHA

08/04/2020

Raha efa niaritra tapak’andro ny taxi-brousse izay vao nahazo alàlana tetsy Andohatapenaka.

NIANDRY ORA MARO IREO MPANDEHA

Hamaky ny tohiny...

KABARIN’NY FILOHA

07/04/2020

Mivoaka ampahibemaso amin’izay ny adin’ireo vehivavy manodidina ny Filoha. Taorian’ilay kabary izay nolazaina fa mivantana kanefa tsy izany akory ary feno diso ny votoatiny, dia niala bala ny minisitry ny serasera,

KABARIN’NY FILOHA

Hamaky ny tohiny...

GOVERNORA

05/03/2020

Voatendry ho governoran’ny faritra Atsinanana nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly Atoa Rafidison Richard Théodore.

GOVERNORA

Hamaky ny tohiny...

LUDY SOA SY NATHAN

05/03/2020

Araka ny lahatsoratra nivoaka teto amin`ny gazety Tia Tanindrazana ny 02 martsa lasa teo, momba an`ireo tanora, LudySoa sy Nathan,

LUDY SOA SY NATHAN

Hamaky ny tohiny...

MBOLA AVOTRA ALOHA HATRETO

04/03/2020

Isan'ireo firenena afrikanina mbola mahavita miaro ny sisin-tany aloha hatreto i Madagasikara manoloana ny fiparitahan’ny Coronavirus.

MBOLA AVOTRA ALOHA HATRETO

Hamaky ny tohiny...

MPIANATRY NY PETIT NID TSY HITA POPOKA

03/03/2020

Tovolahy kely iray mitondra ny anarana hoe Rakotonindrina Sitraky ny Avo Toavina Cedrick no nambaran’ny fianakaviany fa tsy hita popoka.

MPIANATRY NY PETIT NID TSY HITA POPOKA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

TRATRA IREO MPAMAKY TSENA

07/01/2020

Nahomby ny mpiambin’Anosibe omaly tamin’ny asany. Teo am-pamakiana tsena ny telo lahy no saron’izy ireo.

 

 



Ny roa efa tafiditra tao anatin’ny tsena niaraka tamin’ny fitaovana samihafa izay famakiana trano. Isan’izany ny « bar à pince » sy ny lakile marobe. Sendra niverina tampoka ny mpiambina no nahita ny zava-nisy. Rifatra nitsoaka ireo roa lahy tety ivelany raha tsy afa-niala intsony kosa satria tratra ambodiomby ilay iray efa tafiditra tao anaty tsena.

PV NITAKOSONA

 

Nitakosona ny PV na fitanana an-tsoratry ny fifidiana ary izay no nitarika ny ady teo amin’ny kandidà roa izay samy avy amin’ny tsy miankina tao amin’ny kaominina Analaroa, Anjozorobe. Niakatra eny anivon’ny tribunal misahana ny raharaham-panjakana koa ny raharaha ary isan’ny handrasana ny didy mifandraika amin’izany amin’ity herinandro ity, alohan’ny hamoahana ny valim-pifidianana ofisialy amin’ny zoma hoavy izao.

ADY TANY AMBODINISOTRY

 

Raikitra koa ny fifamaliana tetsy Ambodinisotry. Izany dia mbola mifandraika amin’ny raharaha ady tany hatrany. Tezitra ny olona raha handeha hamefy ny tany izay fiantsonan’ny fiara amin’ny andavanandro ny milaza ho tompon’ny tany. Tonga hatramin’ny fidirana an-tsehatry ny fokontany sy ny olona marobe mponina eo an-toerana vao nijanona izany. Tsy nijanona teo anefa ny raharaha satria nanapa-kevitra koa ny ankilany ny nampiakatra fitsaràna ireo olona izay nitokona.

VATO BE 30 HIRODANA

 

 Manodidina ny vatobe 30 isa no hirodana atsy ho atsy ary tsy azo ihodivirana intsony. Ny olona anefa hatreto dia samy mbola tsy mahafoy ny tranony ary tsy mety miala eny an-toerana na dia nandeha aza ny fanentanana maro isan-karazany. Vokatr’izany dia nilaza mazava ny mpitandro ny filaminana fa hampiasa hery amin’izay ary tapitra hatreo ny fifampiresahana. Mampalahelo ny zava-misy noho ny goragora ara-panjakana hatrizay tamin’ny fanomezana fahazoan-dàlana hanamboatra trano.


 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana