Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fanodikodinana volan’ny fonksionera Tsy miteny ireo mpiasa fa matahotra famindran-toerana

07/01/2020

«Nasaina nanasonia izahay fa tsy nisy mari-bola ilay nosoniavina ary lelavola 12.000 ariary no azonay. Ny an’ny toerana sasany aza latsaky ny 10.000 ariary.”

 

 

 

 Hoy ireo mpiasam-panjakana izay nandray ny solom-pen’akoha hanaovana fety avy tamin’ny Filoham-pirenena. Voalazan’ny mpizara vola fa ao ny laharam-pindain’ny DAF mpitantam-bola raha mila fanazavana. Noho ny tahotra valifaty sy ny famindran-toerana dia nandray tsy fidiny ilay vola ireo mpiasam-panjakana. Voalaza fa nozaraina tamin’ny “vacataires” ny vola azo, indrindra tamin’ny Ministeran’ny Fanabeazana sy Fampianarana ka izany no nampihena azy. Manoloana ny karama vary masak’ireo “vacataires” tokoa dia tsy nialona izany ny “ECD sy ny EFA” ary ireo efa mpiasam-panjakana raikitra.

Eny amin’ny Bianco ny raharaha

Manahy mantsy ireo mpiasam-panjakana fa tsy ireo “Mpampianatra-FRAM” sy “vacataires” no nahazo izany fa voahodikodina tanteraka ny volam-panjakana. Ny hita mantsy dia tsy nisy nandray vola ireo “vacataires”. Andrasana ny fampitam-baovaon’ny fiadidiana ny repoblika raha tena 65.000 ariary no nomena ireo mpiasam-panjakana rehetra.Misy manko ireo milaza fa naharay io vola io tokoa fa ny ankamaroany, na ny teto an-drenivohitra aza zara raha nahazo ampahany. Voalazan’ny tompon’andraikitra iray fa efa any amin’ny BIANCO ity raharaha ity. Saingy mila fantatry ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly fa nanao sonia taratasy tsy nisy mari-bola ny ankamoroan’ny mpiasam-panjakana.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana