Dans la mme rubrique

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

03/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha afak’omaly.

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

Hamaky ny tohiny...

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

03/04/2020

Miatrika fotoan-tsraotra ny firenena ankehitriny. Manoloana izany, ny antoko Hery Vaovaon I Madagasikara (HVM) dia hitondra izay voatsirambin` ny tanana ho fanampiana ny mpiray tanindrazana manoloana ity ady iombonana ity.

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

Hamaky ny tohiny...

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

02/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha omaly. Tonga teny amin'ny CCI Ivato izy omaly maraina, nitondra ny zaodahiny avy any an-dafy atao fitiliana mikasika ny Covid-19 teny an-toerana.

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

02/04/2020

Nametraka ny lamina rehetra saingy tsy vitan’ny mpitondra irery. Ny 12 andro manaraka dia tanjona ny hoe mba ho betsaka indray ny olona sitrana.

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

Hamaky ny tohiny...

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

02/04/2020

Nitondra hafatra ho an’ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena sy ho an’ny olom-pirenena sy ny vahoaka ny Komitin'ny Fahamarinana sy Fandriampahalemana ary Fiadanana (K3F) manoloana izao loza mihatra

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

Hamaky ny tohiny...

Antsohihy Aro-vava miisa 2000 nozaraina tamin’iroe mpivarotra

02/04/2020

Nitondra vahaolana ho fisorohana ny fiparitahan'ny Coronavirus ao Antsohihy ka nanome aro-vava miisa 2000 ho an'ny mpivarotra any an-toerana ny depiote, Jao Jean mivady.

Antsohihy Aro-vava miisa 2000 nozaraina tamin’iroe mpivarotra

Hamaky ny tohiny...

Vondrona politika KOMBA “Fa iza marina no mibaiko ny Fokontany?” “

02/04/2020

Hita ety ifotony fa mibaiko ny fokontany avokoa na ny Kaominina (izay misy rantsana maro), na ny Distrika, na ny Mpitandro ny filaminana, na ny solombavambahoaka , na ny Fiadidiana ny Repoblika,

Vondrona politika KOMBA “Fa iza marina no mibaiko ny Fokontany?” “

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fitantanana an’i Madagasikara Miorina amin’ny lainga sy fitaka ?

07/01/2020

Tafiditra tao anatin’ny fampanantenan’i Andry Rajoelina fony izy nanao propagandy tamin’ny 2018 ny hoe :

hiaro ny Malagasy aho ary tsy misy Malagasy hoesorina tsy ara-drariny amin’ny taniny izany.Izay ny kabary, fa hafa ny zavatra hita :fandravana tranon’olon-tsotra sy fiangonana no nitranga teto Antananarivo sy tany Toamasina tamin’ny herinandro voalohan’ny volana janoary.Mazava ho avy moa fa izay tonga manao izany dia miaraka amin’ny taratasy fa hoe nahazo alalana mazava tsara.Niezaka nanohitra ihany ireo olona niharan’ny fandavana, saingy afaka hanao inona moa rehefa mifanehitra amin’ny mpitandro filaminana miaraka amin’ny fitaovam-piadiana.

Hafa ny tenenina, hafa ny atao

Vao tsy ela akory anefa fa tamin’ny krismasy 2018 no niantso fiombonana, fifamelana sy firaisankina raha nikabary fohy teny Ambohitsorohitra ny filoha Andry Rajoelina ; dia samy velom-panantenana ery ny rehetra ary nifandrombahana ny naka sary tamin’ilay jiro manjelanjelatra eraky ny tanàna satria hoe mahafinaritra ery ary sambany vao mba nisy izany teto.Hay kay efa miainga any ny fandravana trano ; mbola nangingiana indray moa tato ho ato izay ny resaka Tana-Masoandro satria henjana ny hetsi-panoherana angamba.Ny fanavaozana ny kianjaben’i Mahamasina indray no naroso aloha ary dia finaritra indray ny rehetra.Hain’izao fitondrana izao ny mifehy ny serasera sy manasa ny atidohan’ny vahoaka mba tsy hifantoka amin’ny olana na fahasahiranana misy fa kosa ho finaritra amin’ny seho ivelany.Ka rehefa tapitra ny fahafinaretana mandalo amina kisehoseho iray, dia iny misy iray indray, ary tahaka izany hatrany.Fehiny : lasa tsy taitra intsony amin’ny zava-mitranga ny ankamaroan’ny olona ary lasa vitsy an’isa ho azy ireo miady amin’ny tsy rariny sy mitaky ny fahamarinana, dia lazaina fa adala sy mpanakorontana firenena.Tsara jerena ihany anefa andinindinin-javatra sasany mitranga, izay tena mampieritreritra : nanome vola ankoatry ny karama mba hanaovan’ny mpiasam-panjakana fety ny filoham-pirenena ; 65 000 ariary ilay izy, nisy nahazo an’io ara-dalàna, tao kosa ireo nitaraina fa tsy nisy afa-tsy 9000 ariary no voaray.Inona moa no ilazana izany tsy hoe halatra ? iza no nangalatra sy nanodikondina ? Tokony hanaovana fanadihadiana lalina fa tsy boriboriana fotsiny ny resaka, fa nisy zavatra nitranga tao.Farany teo indray hoe fiaramanidin’ny TOA Aviation izay an’Atoa Mamy Ravatomanga, mpandraharaha mpanefoefo akaikin’ny filoham-pirenena no nitondrana an’i Carlos Ghosn ilay lehiben’ny Nissan nitsoaka ; izy ity dia voarohirohy amina fanodikodinam-bola ary mbola manan-draharaha amin’ny fitsarana japoney.Ny mpiasam-panjakana nampitomboina ho 13% ny karamany manomboka amin’ity volana janoary ity, ny vinavinan’ny fitomboan’ny harinkarena ho an’i Madagasikara ao anaty tetibolam-panjakana 2020 anefa 5,5 %.Minisitra noesorina tamin’ny toerany satria tsy nahomby, no apetraka hitantana ny Jirama indray.Minisitra efa ambaran’ny tontolon’ny oniversite fa tsy mahavita azy sy manakorontana , mbola tazonina ihany hitantana ny ambaratonga ambony.Mbola resaka hafa ny fanendrena ny ampahany amin’ny governora sy ny tonga dia nanomezana vola azy ireo ; ny filazana fa 23 ny faritra eto Madagasikara : f’angaha efa novaina ny lalampanorenana moa ? Manome sary ratsy ho an’ny mpitantana an’i Madagasikara sy ho an’ny firenena Malagasy izany zavatra rehetra notanisaina izany, ary mazava ho azy fa mampiahotra ireo mpampiasa vola.Dia ho reraka hanome toky sy hanao velirano eo ny filoham-pirenena fa na ny vola hiasan’ny fanjakana aza atsy ho atsy mety hanahirana.Ny sosialim-bahoaka tsy ho voalamina amin’ny resaka tsena mora isan-kerinandro na isaky ny misy fety.Tsy nitranga anefa ireo rehetra ireo raha resy lahatra ny maro an’isa fa nadio sy nangaraharaha tokoa ny fifidianana ; tsy misy izao resabe etsy sy eroa izao raha tena mafy orina ny fahefan’ny filoha ; tsy nila fifandresen-dahatra be fa efa ela no nanomboka ny tetikasa goavana Tana-Masoandro raha nisy tokoa ny vola.

 

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana