Dans la mme rubrique

Fahasalamana, Politika, Toekarena Ho sarotra ny fanapahana !

04/04/2020

Hanao kabary amin’ny vahoaka Malagasy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina rahampitso alahady 4 aprily, momba ny fanapahan-kevitra lehibe taorian’ny fihibohana 15 andro.

Fahasalamana, Politika, Toekarena Ho sarotra ny fanapahana !

Hamaky ny tohiny...

Loholon` i Madagasikara Miantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena

04/04/2020

Ireo loholona, amin` ny alalan` ny filohany Rivo Rakotovao, dia niantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Loholon` i Madagasikara Miantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

03/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha afak’omaly.

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

Hamaky ny tohiny...

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

03/04/2020

Miatrika fotoan-tsraotra ny firenena ankehitriny. Manoloana izany, ny antoko Hery Vaovaon I Madagasikara (HVM) dia hitondra izay voatsirambin` ny tanana ho fanampiana ny mpiray tanindrazana manoloana ity ady iombonana ity.

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

Hamaky ny tohiny...

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

02/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha omaly. Tonga teny amin'ny CCI Ivato izy omaly maraina, nitondra ny zaodahiny avy any an-dafy atao fitiliana mikasika ny Covid-19 teny an-toerana.

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

02/04/2020

Nametraka ny lamina rehetra saingy tsy vitan’ny mpitondra irery. Ny 12 andro manaraka dia tanjona ny hoe mba ho betsaka indray ny olona sitrana.

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

Hamaky ny tohiny...

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

02/04/2020

Nitondra hafatra ho an’ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena sy ho an’ny olom-pirenena sy ny vahoaka ny Komitin'ny Fahamarinana sy Fandriampahalemana ary Fiadanana (K3F) manoloana izao loza mihatra

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fakan-kevitra nasionaly Efa mihetsiketsika ny HVM

07/01/2020

Tonga niarahaba ny Filohan’ny Antenimierandoholona Atoa Rivo Rakotovao amin’izao taona vaovao 2020 izao ireo solotenan’ny Birao Nasionalin’ny Antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara (HVM) ny 02 Janoary lasa teo.

 

 

 Delegasiona izay notarihin’ny Sekretera Jeneraly Nasionaly Rachidy Mohamed sy ireo filoha isam-paritany , ary notronon’ireo loholona mpikambana ao amin’ny antoko. Fihaonan’ny mpiray antoko, fihaonana amin’ny Ray aman-dreny ihany ary  fotoana izay nanamafisan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona no sady Mpandrindra Nasionalin’ny antoko HVM ny adidy miandry amin’ity taona 2020, izay mifandraika ihany koa amin’ny hafatra fiarahabana nataon’ny filoha mpanorina Hery Rajaonarimampianina , tamin’ny lahateniny ny 1 janoary lasa teo.Mieritreritra hanatanteraka fihaonambem-pirenena fakan-kevitra ny antoko HVM.Izany dia natao mba hamoahana ny hetahetan’ny Malagasy sy ny eritreriny amin’ny famahana ny olana mianjady amin’ny fiarahamonina sy ny firenena amin’ny ankapobeny.Tsy any amin’ny fanomezan-tsiny intsony izao fa fikaroham-bahaolana, raha nyf omba fijerin’ny HVM.Hanohy ny fandraisana andraikitra efa nataoko teto amin’ny firenena aho hoy ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina tamin’ilay lahateniny.Manamafy izany i Rivo Rakotovao, tsy mbola nisy daty kosa anefa na dia fantatra aza fa efa mihetsiketsika ny HVM isam-paritany sy isam-paritra.Ity antoko ity izay tena mbola manana ny olony na dia nangiangiana izay aza teo aloha teo, misy ny fotoana hanginana fa misy koa ny fotoana tsy maintsy hitenenana ka ho avy amin’izay izany ry manga kravaty.

RTT

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana