Dans la mme rubrique

Ady amin’ny haromotana Isan’ny vahaolana ny famosirana ny alika

29/09/2020

Nanomboka omaly 28 septambra-04 oktobra ny hetsika fanentanana ny daholobe hiompy sy hanao vaksiny ny alika, ka isan’ny miantsoroka sy manome vahana izany ny Minisiteran’ny fahasalamana. Isan’ny paikady misoroka aretina maro ho an’ny alika ny famosirana azy.

Ady amin’ny haromotana Isan’ny vahaolana ny famosirana ny alika

Hamaky ny tohiny...

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fisorohana ny loza sy fanafihana Nahitam-bokany ny hetsiky ny zandary tamin’ny lalam-pirenena

06/01/2020

Nihena ny fanafihana fiara sy ny lozam-pifamoivoizana, nandritra ny faran’ny taona sy ny taom- baovao, raha mitaha tamin’ny taon-dasa. Io no tatitra vonjimaika nandritra ny tafa manokana

 

 

 

 

nifanaovana tamin’ny Komanda Rolland Zakatiana, tomponandraikitry ny serasera sy ny fampitam-

baovaon’ny zandarimariam-pirenena eo amin’ny Toby Richard Ratsimandrava.

Nilaza ity manam-boninahitry ny zandarimariam-pirenena ity fa nahitam-bokany ny hetsika

fisorohana ny loza sy ny asan-jiolahy izay hetsika nifandrombonan’ny zandarimariam-pirenena mba

hanaovan’ny vahoaka fety milamina sy isantarana ny taona vaovao lavitry ny loza. Nambarany

hatrany fa na ny halatr’omby nandritra ny fety, manerana ny Nosy ihany koa aza dia nihena lavitra

raha mitaha ny salan’isa teo am-pelatan’ny zandarimariam-pirenena, tamin’ny taon-dasa.

Fanararaotan’ny malaso mantsy ny fanafihana mitam-piadiana ireo valan’omby mandritra ny fety

aman-danonana fanaon’ny olompirenena toy ireny. Tsikaritra koa fa maro ny olona sy ny vola no

mifamezivezy amin’ny volon’andro fety tahak’ireny ka mampanararaotra ireo jiolahy mpanakan-

dalana. Andrandrain’ny olom-pirenena moa ny fanapariahana ireo mpitandro filaminana toy ireny

miaro anaty taksibrosy ireny sy ny fiarovana ireo faritra mena ahiana hotafihin’ny dahalo mandritra

ny taona fa tsy amin’ny fotoanan’ny fety ihany.

 

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana