Dans la męme rubrique

NIANDRY ORA MARO IREO MPANDEHA

08/04/2020

Raha efa niaritra tapak’andro ny taxi-brousse izay vao nahazo alàlana tetsy Andohatapenaka.

NIANDRY ORA MARO IREO MPANDEHA

Hamaky ny tohiny...

KABARIN’NY FILOHA

07/04/2020

Mivoaka ampahibemaso amin’izay ny adin’ireo vehivavy manodidina ny Filoha. Taorian’ilay kabary izay nolazaina fa mivantana kanefa tsy izany akory ary feno diso ny votoatiny, dia niala bala ny minisitry ny serasera,

KABARIN’NY FILOHA

Hamaky ny tohiny...

GOVERNORA

05/03/2020

Voatendry ho governoran’ny faritra Atsinanana nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly Atoa Rafidison Richard Théodore.

GOVERNORA

Hamaky ny tohiny...

LUDY SOA SY NATHAN

05/03/2020

Araka ny lahatsoratra nivoaka teto amin`ny gazety Tia Tanindrazana ny 02 martsa lasa teo, momba an`ireo tanora, LudySoa sy Nathan,

LUDY SOA SY NATHAN

Hamaky ny tohiny...

MBOLA AVOTRA ALOHA HATRETO

04/03/2020

Isan'ireo firenena afrikanina mbola mahavita miaro ny sisin-tany aloha hatreto i Madagasikara manoloana ny fiparitahan’ny Coronavirus.

MBOLA AVOTRA ALOHA HATRETO

Hamaky ny tohiny...

MPIANATRY NY PETIT NID TSY HITA POPOKA

03/03/2020

Tovolahy kely iray mitondra ny anarana hoe Rakotonindrina Sitraky ny Avo Toavina Cedrick no nambaran’ny fianakaviany fa tsy hita popoka.

MPIANATRY NY PETIT NID TSY HITA POPOKA

Hamaky ny tohiny...

FANAFIHANA TAXI-BROUSSE

02/03/2020

Raikitra ny fifampitifirana tetsy Mahavelona. Sady nitsoaka no nitifitra ny jiolahy izay vao avy nanao fanafihana mpandeha tamin'ny taxi-brousse.

FANAFIHANA TAXI-BROUSSE

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

RINDRINA NIHOTSAKA NAMONO OLONA

03/01/2020

Dimy no maty teto an-drenivohitra tamin’ny taom-baovao. Ny efatra tamin’ireo dia ankohonana iray tetsy Ambohidrapeto.

 

 

Nihotsaka ny rindrina mpiaro ny tamboho ary avy hatrany dia tao amin’ny efitrano izay nisy azy efa-mianaka. Maty tsy tsa-drano avokoa ireo. Ny loza faharoa indray dia olona latsaka tao anaty lava-drano. Efa maty izy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny mpamonjy voina teny an-toerana. Ilay mpanavotra azy kosa, lehilahy 45 taona, mba avotra ihany ny ainy.


ZANA-KISOA NO NAFARANA, ALIKA NO TONGA

 

 Nisy nivarotra alika tamin’ny kaomandy amin’ny facebook. Zana-kisoa malemy taolana no nafarana kinanjo alika efa mendy tsara no tonga tao an-trano. Efa teo ambony latabatra vao nahatsikaritra ny mpividy ary nanao antso avo ny olona mba ho mailo. Ny laharan’ny finday efa tsy nandeha intsony nanomboka teo. Fetsy ratsy ny olona ary tena lasa famosaviana indraindray ny fitaka atao amin’ny tambajotra sosialy.

TANY INDE NO BE ZAZA TERAKA INDRINDRA


Nahatratra 2087 ny zaza izay teraka tamin’ny taom-baovao teto Madagasikara, raha araka ny fanazavan’ny Unicef. Raha oharina amin’ny fiterahana maneran-tany tamin’io andro io dia tafiakatra 0,53 % izany satria manodidina ny 392.000 ny fiterahana teto ambonin’ny tany. Tany Inde no voalohany indrindra, Chine ny faharoa ary Nigéria kosa ny firenena afrikana nitàna ny laharana voalohany tamin’ny fiterahana tamin’ny taom-baovao.

FIARA NIKODIADIA TANY ANATY HANTSANA

 

Manerinerina, ny taom-baovao teo. Fiara tsy mataho-dàlana iray mitondra ny marika Kia no nivoaka ny làlana ary nivadika tany anaty hantsana. Dimy naratra tao anatin’ny fiara ary nisy ankizy telo tamin’izany. Fandehanana mafy no nitarika io lozam-pifamoivoizana io ary hiakatra aty an-drenivohitra ny dian’ity fianakaviana ity. Mba tsy nisy namoy ny aina na dia mafy aza ny fitrangan’ilay loza.

FIARA ROA NIREHITRA TENY AMIN’NY BY PASS

 

Grand Starex roa, Matiz iray ary Kia iray no indray nirehitra tao amin’ny garazy iray tetsy By-pass omaly. Raha tsy tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina dia tsy voafehy mihitsy ny afo. Miisa 11 ireo olona izay nifanampy tamin’ny famonoana ny afo ary nitondra kamiao mpitondra rano miisa roa izay ireo. Vao maraina no nitranga ity loza ity ary tsy mbola voafaritra hatreto ny nitarika ny firehetana.


 

 

 

 

 

 

 

 

BASY NOGIAZANA

 

Tao Toamasina no isan’ny betsaka indrindra ny basy izay nogiazana tamin’iny taon-dasa teo iny. Nahatratra 20 isa izany ka ny efatra tamin’ireo dia basy maherivaika Kalachnikov. Maro tamin’ireo azon’ny polisy koa no vita gasy ary nahatratra an-jatony maro ny bala niaraka tamin’ireo. Tao an-toerana rahateo no isan’ny nampitaraina ny maro ny fanafihana mitam-piadiana tamin’iny taona iny. Betsaka ireo izay namoy ny aina ary nisy hatramin’ny polisy aza, rehefa notifirin’ny jiolahy.

FANAMBOARANA NY KIANJABEN’I MAHAMASINA

\

Amin'ny herinandro no manomboka ny asa fanamboarana ny kianjan 'ny Mahamasina. Ny fandrodanana ny « tribune centrale » no hanombohana izany. Asa anefa raha mahatratra ny lalaon'i Barea amin'ny marsa ny hahavitan’ity kianja ity satria izay no tena isan’ny lehibe indrindra amin’ny fanamboarana azy. Miandrandra ny rehetra, indrindra ny mpitia baolina kitra, mba tsy ho foto-drafitrasa izay mijanona fotsiny eo amin’ny 3D indray no mitranga, toa izay efa fahita matetika.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana