Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Alasora Voasambotra ireo mpivarotra merkiora sandoka

03/01/2020

Lehilahy roa no voasambotry ny Polisin’Alasora ny alatsinainy teo rehefa avy nisoloky olona saika hividy merikiora sandoka izay vatan’akondro sy tantely tamin’ny tavohangy ary ody gasy maro sy gazety nofonosana lambamena no tao anatiny .

 

 

Ny volana oktobra  no nisy lehilahy nilaza ho manana merikiora 3 kilao tao Ambositra. Fikambanana mpivarotra miisa 6 no liana  ka nanambatra vola mitentina 7.000.000 ariary nalefa tamin’ny finday hanaovana sorona. Voalaza fa alaina any Ambositra ny entana, ary nasainy nitondra vola 3.600.000 ariary. Nony nifampihaona ireo telo avy samy iraka, ka rehefa natolotra ny vola dia nanjavona ireo avy any Ambositra, tsy nandeha koa ny laharana findainy.  Ny alin’ny talata 24 desambra dia nandeha ilay finday, ka nilaza indray ireo mpisoloky fa efa vonona ilay merikiora. Nidina tany an-toerana indray ireo solontenan’ny mpividy ny alarobia 25 desambra, ka nahita lehilahy 2 nilanja kitapo lehibe iray, voalaza fa misy ilay merikiora,  fa mila vola indray hanaovana fomba alohan’ny hivarotana azy. Niaraka niakatra taty Antananarivo ireo roalahy sy ireo mpividy. Ny alatsinainy teo ary dia efa nahita mpividy ilay merikiora, efa vory ihany koa ilay volabe nangatahin’ireo roalahy tompon’entana hanaovana fomba. Fa mila tapakazo iray ka tany am-pitadiavana izany no nanjavona izy roalahy fa tratra ihany teo Mahamasina tamin’ny 02 ora tolakandro n’io alatsinainy io,

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana