Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fanendahana anaty taksibe Tra-tehaka ilay mpandrovitra poketra sy tarehy

03/01/2020

Lehilahy 34 taona, mpanendaka no tra-tehaky ny fokonolona sy ny polisy avy ao amin’ny boriboritany faha-6 Ambohimanarina teny Andranomena ny talata 31 desambra teo tokony ho tamin’ny 1 ora tolak’andro . Zotram-pitaterana mankany Ivato nanala olona teo Andranomena no nidiran’ity lehilahy mpanendaka ity.

 

 

 

 

Niditra toy ireny mpandeha tsotra ireny izy ka nipetraka teo akaikin’ny vehivavy iray nitazona poketra. Raha variana ilay vehivavy dia nosavainy ny poketrany. Tsikaritry ny olona tao anaty taksibe izany fihetsika izany ka nisy niteny hoe  : “mpanendaka io !” Nikasa handositra ilay lehilahy, fa taitra tamin’izany kosa ny mpandeha rehetra tao anaty taksibe ka nirohatra nitazona azy. Iny izy andeha ivoaka ilay fiara iny no nisy lehilahy iray nibahana ny lalany ; notatahiny tamin’ny hareza ny tarehiny ka tafavoaka ihany izy. Nampandre ny Polisy niasa tsy lavitra teo ny fokonolona. Raikitra ny fifanenjehana ka tratra teo akaikin’ny “Gastro” Andranomena ity olon’dratsy ity. Noentina avy hatrany teny amin’ny paositry ny polisin’ny boriboritany faha 6 Ambohimanarina ho atao famotorana . Fantatra fa anisan’ireo mpanao io asa ratsy io eny amin’iny faritra Andranomena sy ny manodidina iny ity lehilahy ity.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana