Dans la mme rubrique

Orinasa afaka haba Manomboka misesy ny fandefasana «chômage technique »

08/04/2020

Mitombo isa hatrany ny tsy an’asa eto amintsika. Ho an’ny orinasa afaka haba dia efa nanomboka tamin’ny volana Janoary lasa teo izy ireny no nanala mpiasa tsikelikely noho ny tsy fisian’ireo akora fototra hafarana avy any ivelany hampiasainy

Orinasa afaka haba Manomboka misesy ny fandefasana «chômage technique »

Hamaky ny tohiny...

Mpivarotra kiraro fripy Matiantoka tanteraka

08/04/2020

Velon-taraina tanteraka ireo mpivarotra kiraro fripy amin’izao fotoana izao nohon’ny fatiantoka mahazo azy ireo.

Mpivarotra kiraro fripy Matiantoka tanteraka

Hamaky ny tohiny...

Tsy kely lalana ny ratsy Efa misy mpanendaka ireo mahazo Vatsy Tsinjo koa

08/04/2020

Amin ny toerana maro misy ny fizarana fanomezana Vatsy Tsinjo avy amin’ny fitondrana dia misy ireo tovolahy manao andiany manaraka ny olona nahazo.

Tsy kely lalana ny ratsy Efa misy mpanendaka ireo mahazo Vatsy Tsinjo koa

Hamaky ny tohiny...

Anosipatrana Nizara fanomezana ny loharano

08/04/2020

Nizara fanomezana ny omaly 07.04.20 ny loharano. Vary 6 kilao,menaka litatra,tsiasisa 8kp,savony 1,sira1,siramamy atsasakilao,vovo dronono soja

Anosipatrana Nizara fanomezana ny loharano

Hamaky ny tohiny...

Tsy miasa, tsisy vola, tsisy hohanina Ahiana ny hisian’ny fipoahana ara-tsosialy

07/04/2020

Misy amin’ireo sekoly tsy miankina no manery ny ray aman-dreny handoa saram-pianarana. Ny 1-6 aprily no fotoana hitakiana izany ho an’ny ankamaroan’ny sekoly.

Tsy miasa, tsisy vola, tsisy hohanina Ahiana ny hisian’ny fipoahana ara-tsosialy

Hamaky ny tohiny...

Tohana ara-tsosialy ao Toamasina Niditra an-tsehatra ny minisitry roa vavy

07/04/2020

Ramatoa Minisitry ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy, ny Minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana no nisolotena ny fitondram-panjakana aty Toamasina amin’ny fanatanterahana ny drafitra ara-tsosialy amin’ny hamehana (plan d’urgence social).

Tohana ara-tsosialy ao Toamasina Niditra an-tsehatra ny minisitry roa vavy

Hamaky ny tohiny...

Andranonahoatra Zokiolona miisa 400 indray no hahazo fanampiana

07/04/2020

Taorian’ireo zokolona 6 isaky ny Fokontany notolorana fanampiana teny Bemasoandro ho an’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano andro maromaro lasa izay dia zokiolona miisa 400 indray no fantatra fa hahazo izany ho an’ny kaominina Andranonahoatra raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Rasamison Haja.

Andranonahoatra Zokiolona miisa 400 indray no hahazo fanampiana

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Antananarivo renivohitra sy ny manodidina “6 maty, 22 ny mpanendaka tratra nandritra ny fety”

03/01/2020

Olona efatra maty nianjeran’ny rindrim-bato teny amin’ny faritra Ambohidrapeto, Itaosy nandritra ny fety, raha ny tatitry ny polisim-pirenena raha ny tatitry ny polisim-pirenena tamin’ny mpanao gazety omaly , teny amin’ny efitrano fiasan’ireo mpitandro filaminana Anosy.

 

 

 

Faty roa kosa no hitan’ny polisim-pirenena nandritra ny fetin’ny 31 desambra sy ny voalohan’ny taona. Ny iray tao Sabotsy Namehana izay hita faty tao andavadranon’Ambohitrinimanga. Ny iray hafa kosa  efa mananika ny 63 taona izay matin’ny fanintona tao an-tranony. Nanjaka koa ny sinto-mahery. 22 ireo jiolahy mpanendaka no tratra tamin’ireo endrika sinto-mahery 6 nitranga teto an-drenivohitra. Nahatratra 63 ireo voasambotra noho ireo karazana halatra 25 niseho teto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina ka ny 25 tamin’ireo no navotsotra taorian’ny famotorana sy ny fandihadiana. Roa tamin’ireo no voarohirohy tamina halatra môtô, 2 koa ny vaky trano ary iray tratra teo am-piomanana hanaovany ny asa ratsiny.

Loza 8 nandratrana olona

Nahatratra 11 kosa ny lozam-pifamoivoizana nitranga ka ny 3 izay nentina mpamily mamo ihany no fahasimbana fiara fotsiny fa ny loza 8 kosa dia nandratrana olona avokoa.  Entana maro tamin’ny toeram-pivarotana telo kosa no kila forehitra teo amin’ny “pavillon” laharana faha 15 sy 16 ary 17 teo Anosibe Tsena. Voefehy nandritra ny 10 mn ny afo, raha ts’izany potika tanteraka ireo toeram-pivarotana maro eny an-toerana.

Haja Nirina sy J.Mirija

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana