Dans la mme rubrique

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

03/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha afak’omaly.

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

Hamaky ny tohiny...

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

03/04/2020

Miatrika fotoan-tsraotra ny firenena ankehitriny. Manoloana izany, ny antoko Hery Vaovaon I Madagasikara (HVM) dia hitondra izay voatsirambin` ny tanana ho fanampiana ny mpiray tanindrazana manoloana ity ady iombonana ity.

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

Hamaky ny tohiny...

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

02/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha omaly. Tonga teny amin'ny CCI Ivato izy omaly maraina, nitondra ny zaodahiny avy any an-dafy atao fitiliana mikasika ny Covid-19 teny an-toerana.

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

02/04/2020

Nametraka ny lamina rehetra saingy tsy vitan’ny mpitondra irery. Ny 12 andro manaraka dia tanjona ny hoe mba ho betsaka indray ny olona sitrana.

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

Hamaky ny tohiny...

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

02/04/2020

Nitondra hafatra ho an’ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena sy ho an’ny olom-pirenena sy ny vahoaka ny Komitin'ny Fahamarinana sy Fandriampahalemana ary Fiadanana (K3F) manoloana izao loza mihatra

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

Hamaky ny tohiny...

Antsohihy Aro-vava miisa 2000 nozaraina tamin’iroe mpivarotra

02/04/2020

Nitondra vahaolana ho fisorohana ny fiparitahan'ny Coronavirus ao Antsohihy ka nanome aro-vava miisa 2000 ho an'ny mpivarotra any an-toerana ny depiote, Jao Jean mivady.

Antsohihy Aro-vava miisa 2000 nozaraina tamin’iroe mpivarotra

Hamaky ny tohiny...

Vondrona politika KOMBA “Fa iza marina no mibaiko ny Fokontany?” “

02/04/2020

Hita ety ifotony fa mibaiko ny fokontany avokoa na ny Kaominina (izay misy rantsana maro), na ny Distrika, na ny Mpitandro ny filaminana, na ny solombavambahoaka , na ny Fiadidiana ny Repoblika,

Vondrona politika KOMBA “Fa iza marina no mibaiko ny Fokontany?” “

Hamaky ny tohiny...


Politique

Marc Ravalomanana Nanolotra vahaolana hivoahana amin’ny krizy

03/01/2020

Nandritra ny lanonana fifampiarahabana noho ny taom-baovao 2020 teny amin’ny trano fonenany eny Faravohitra omaly no nanambaran’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa ny fahatsapana fa miha sahiranana ny vahoaka Malagasy.

 

 

 

 

Ny tena nanamarika iny taona 2019  iny teo amin’ny lafiny ara- politika, dia ny tsy fisian’ny tany tan-dalàna sy ny tsy fanajana ny demokrasia eto amin’ny firenena, hoy izy. Ny fahatsapana izany no antony nijoroan’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara, na ny RMDM mba handrindrana ny asa fanoherana eto Madagasikara. Tsy hilavo lefona, ary tsy ho kivy isika fa tsy maintsy mijoro, hoy i Marc Ravalomanana. Mbola misy ny fanantenana amin’izao taona vaovao 2020 izao, hoy izy ka noho izany dia tsy maintsy tohizana ny ady amin’ny tsy rariny sy ny tsy fahamarinana satria dia mandeha any amin’ny làlana tsy tokony hizorany ny firenena. Isika mpanohitra no arofanina, ka adidy sy andraikitra tsy maintsy ho tanterahina izany. Koa sahia miteny rehefa mahita zavatra, ary mijoroa miaro ny fahamarinana sy ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.

VAHAOLANA AMIN’NY KRIZY

Nanao antso avo amin’ny fiangonana tsy ankavanaka ihany i Marc Ravalomanana mba handraisan’izy ireo andraikitra amin’ny maha ray aman-dreny afaka mampianatra sy manitsy ny vahoaka rehetra satria tanindrazana iombonana ity.Tsy sanatria faly hitanisa ny tsy mety fotsiny fa nanolotra vahaolana efatra hahafahana miroso amin’ny tena asa fampandrosoana izy.Voalohany ny faletrahana ny fandriampahalemana ara-tsosialy izany hoe tsy fitanilàna amin’ny fampiharana ny lalàna sy famerahana ny fandriampahalemana ary ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy fiarohana ireo mpandraharaha. Faharoa dia ilaina ny firasam-pirenena amin’ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena tena izy iarahan’ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena.Fahatelo, tsy maintsy apetraka ny demokrasia tena izy, izany hoe ny fanekena sy fanajàna fa misy ny mpitondra, ary misy ihany koa ny mpanohitra.Ary ny hevi-dehibe faha efatra farany dia ny fanajana ny tany tan-dalàna.Nanaovany antso manokana ny mpitsara, mba hitsara amin’ny fahamarinana tokoa fa tsy hanaiky atao fitaovana politika; ireo mpitandro filaminana mba tsy hatao herim-pamoretana ny vahoaka.Niarahaba no sady nirary so any vahoaka Malagasy amin’ity taona vaovao 2020 ity moa Atoa Marc Ravalomanana , izay notronin’ny fianakaviany sy ireo mpiara-dia aminy eo anivon’ny antoko TIM ary ireo tapaka sy namana, teny Faravohitra omaly.

RTT

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana