Dans la mme rubrique

Fanagadrana an’i Arphine Rahelisoa Niditra an-tsehatra ihany koa ny UPF

07/04/2020

Taorian’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) izay mitaky tsy misy fepetra ny famoahana, dia naneho ny heviny ary nanipika ny UPF (Union de Presse Francophone),

Fanagadrana an’i Arphine Rahelisoa Niditra an-tsehatra ihany koa ny UPF

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Hipoka olona hatrany ny maraina

07/04/2020

Taorian` ny kabarin` ny filoham-pirenena, izay nilaza fa nitarina 15 andro ny fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana eto amin` ny tany sy ny firenena dia toa lasa fahazarana sisa izany ankehitriny.

Antananarivo Hipoka olona hatrany ny maraina

Hamaky ny tohiny...

Frantsay nandao an’i Madagasikara Tsy mahatoky ny rafitra ara-pahasalamana eto…

06/04/2020

Sidina manokana avy any Lafrantsa " Boeing 777" no tonga teny Ivato naka ireo teratany Frantsay sy ireo Malagasy sasany mizaka ny zom-pirenena Frantsay nody any Frantsa ny sabotsy 4 aprily teo .

Frantsay nandao an’i Madagasikara Tsy mahatoky ny rafitra ara-pahasalamana eto…

Hamaky ny tohiny...

Fianakaviamben’ny mpanao gazety Avoahy i Arphine !

06/04/2020

Manoloana ny fanambarana nataona tompon’andraikitra iray eo anivon’ny rantsana miady amin’ny “cybercriminalité”

Fianakaviamben’ny mpanao gazety Avoahy i Arphine !

Hamaky ny tohiny...

Firaisan-kina Sino-Malagasy Nanolotra vola sy fitaovana ho an’ny CHU Anosiala

06/04/2020

Ny ady amin` ny COVID-19 no mbola ahamehana eto amin` ny firenena.

Firaisan-kina Sino-Malagasy Nanolotra vola sy fitaovana ho an’ny CHU Anosiala

Hamaky ny tohiny...

Guy Rivo Randrianarisoa “ Mora fantarina ny tena meloka…”

06/04/2020

Fantatro ary tena fantatro tsara i Arphine Helisoa eo amin'ny sehatr’asa fanaovan-gazety, hoy ny solombavambahoakan’i Madagasikara teo aloha, Guy Rivo Randrianarisoa.

Guy Rivo Randrianarisoa “ Mora fantarina ny tena meloka…”

Hamaky ny tohiny...

Omby nomena ny voafonja tany antsiranana Nolazain'ny mpitandron'ny filaminana fa omby halatra

06/04/2020

Mpangalatra omby iray fanta-daza any Antsiranana amin'ny fidirany sy fivoahany ny fonja no mbola nahazo fahafahana vonjimaika nivoaka ny fonjan'Antsiranana indray .

Omby nomena ny voafonja tany antsiranana Nolazain'ny mpitandron'ny filaminana fa omby halatra

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Faritra Andrefan’ny Nosy Ahiana ho tondraka ny rano

03/01/2020

Naharitra tokoa saingy madinika ny rotsak’orana teto Antananarivo nanomboka ny alin’ny 31 desambra ka hatramin’ny halina.Somary natevina kosa ny tany amin’ny faritra hafa.

 

 

 

 

Ny anton’izany araka ny fanazavana voaray avy any amin’ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetry ny andro dia noho ny fisian'ny andian-drahona mivangongo ao amin'ny faritra avaratry ny lakandranon'i Mozambika ka  nahazo vahana ny rotsakorana betsaka amin'ny faritra avaratra andrefan'i Madagasikara.Mety hiteraka tondra-drano sy fiakaran’ny renirano mihitsy ny fitohizan’ny rotsakorana amina faritra maro, araka ny fanazavana ihany. Entanina araka izany ny mponina amin'ireto toerana manaraka ireto mba ho mailo sy hitandrina fa tafiditra amin'ny faritra mahazo ny fampitandremana miloko mena ny amin'ny fahabetsahan'ny rotsakorana izy ireo dia : Boeny, Betsiboka, Besalampy, Maintirano, Ambatomainty, Morafenobe, Andilamena, Amparafaravola ary Ambatondrazaka.Zava-dehibe ihany koa ny fanarahana tsy tapaka amin’ny onjam-peo ny fivoaran’ny toetry ny andro sy ny toromarika.Efa samy tokony hiomana ny rehetra fa tsy mianddry rano efa mandifotr’’olona vao miala fa vantany vao tsy tahaka ny mahazatra ny haavon’ny rano dia tsara kokoa ny mamonjy toeran-kafa; efa mahafantatra ny tokony atao amin’izany moa ireo tompon’andraikitra eny amin’ny fokontany sy ny kaominina ary ny distrika izay miara-miasa akaiky amin’ny BNGRC.Tsy mbola misy resaka rivodoza mananontanona aloha hatreto fa ny rotsak’orana ahiana hitarika tondra-drano no mila hitandremana, hoy hatrany ny fanazavana voaray.

 

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana