Dans la mme rubrique

Komity loharano Lasa mampisavorovoro fokontany

10/04/2020

Sosotra sy tezitra ireo mponina teny Masinandriana Avaradrano satria nambaran’izy ireo fa kiantrano an-trano izay tsy izy ny fananganana ny komity

Komity loharano Lasa mampisavorovoro fokontany

Hamaky ny tohiny...

Fiara mifono vy sy basy Izay ve no vahaolana mety indrindra ?

10/04/2020

Hita fa tsy misangy tokoa ny fanjakana ka namoaka ireo fiara mifono vy amin’izao hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara izao.

Fiara mifono vy sy basy Izay ve no vahaolana mety indrindra ?

Hamaky ny tohiny...

Hetsika Rohy “Tsy ekena ny fanagadrana mpanao gazety »

09/04/2020

Ny Hetsiky ny Firaisamonim-pirenena ROHY dia maneho etoana ny tsy fankasitrahany manoloana ny fitazonana amponja an-dRamatoa Rahelisoa Arphine,

Hetsika Rohy “Tsy ekena ny fanagadrana mpanao gazety »

Hamaky ny tohiny...

Mpanao gazety Arphine Helisoa Naverin’ny fitsarana any am-ponja

09/04/2020

Taorian’ny fampakarana ny raharaha sy ny fangatahana famotsorana vonjimaika ny mpanao gazety,

Mpanao gazety Arphine Helisoa Naverin’ny fitsarana any am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Naina Andriantsitohaina “Mila olom-baovao ny firenena…”

08/04/2020

Araka ny voalazan’ny Filohan’ny Repoblika, dia hapetraka ny komity « Loharano » eny anivon’ny Fokontany sy ny « secteurs ».

Naina Andriantsitohaina “Mila olom-baovao ny firenena…”

Hamaky ny tohiny...

Antoko Natiora “Nijoro ho Raiamandreny ny filoha Ravalomanana.”

08/04/2020

Ireny fijoroan’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, ireny no atao hoe fijoroana Raiamandreny, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, raha naneho ny heviny mikasika ny fivahinianan’ity filoham-pirenena teo aloha tamina fahitalavitra tsy miankina iray.

Antoko Natiora “Nijoro ho Raiamandreny ny filoha Ravalomanana.”

Hamaky ny tohiny...

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

07/04/2020

Re fa novaina ny toerana izay ipetrahan’i Mbola Rajaonah ao amin’ny fonjan’i Tsiafahy.

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

Hamaky ny tohiny...


Politique

Depiote Nicolas Randrianasolo “Mila fitoniana sy filaminana ny firenena”

02/01/2020

Mitohy ny asa-sosilahy ataon’ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas tao amin’ny distrikan’i Betroka nametraka azy ho solombavambahoakan’i

 

 

 

Madagasikara ka tamin’ny fetin’ny faran’ny taona teo dia omby 5 sy vary 2 taonina ary zava-pisotro 1500 isa no natolony ho an’ireo olona sahirana sy zokiolona ary ireo voafonja ao Betroka tampon-tanàna. Mbola nampiarahana balahazo ihany koa aza izany ho an’ireto farany ireto.  Nampita hafatra fohy tamin’ny mpanao politika Malagasy koa izy tamin’izany ka nilazany fa :  Ampy izay ny fitaomana ny vahoaka hikomy sy hidina an-dalam-be, mila fitoniana sy filaminana ny fampandrosoana ny firenena izay iaraha-manana ity.  Andao isika hifanome tanana amin'ireo mpitondra hantanteraka ny velirano napetrak’Atoa Filoham-pirenana tamin'ny vahoaka Malagasy iray manontolo, hoy izy, azo atao tsara ny maneho ny tanjaka ara-politika sy ny tanjakin'ny Antoko iray amin'ny alalan'ny fifidianana ary mbola ho hisy izany.  Tsy vahaolana itsony ny fitondrana vahoaka hidina an-dalam-be hiaro ny tombotsoan'olona vitsy an'isa , fa ny firaisakina hanarina ny firenena no takiana amin'ny tsirairay ary aoka ho mpanohitra manaraka ny rariny , raha misy zavatra vita tsara dia miara-midera izany isika , raha misy zavatra tsy tomombana dia afaka kianina tsara izany izay no ataoko ankehitriny izao . Rehefa resy izahay mpanohana ny fitondrana teo aloha tamin'ny fifidianana dia tsy nitarika hanao fitokonana fa niaky kosa fa mahatoa resy dia nisy lesoka lehibe tao , ary ilaina fanarenana izany. Aoka mba ny  tombotsoan’ny vahoaka tompon'ny fahefana no banjinina, hoy izy.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana