Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fandaminana ny fifamoivoizana Hiverina hiasa amin’izay ireo « Police de la Route”

02/01/2020

Nikaon-doha ary namoaka fanambarana mifandraika indrindra amin’ny fandaminana ny fifamoivoizana eto Antananarivo ny avy ao amin’ny Minisiteran`ny Filaminam-bahoaka, taorian’ny fihaonana tamin’ny praiminsitra.Fantatra ary izao fa haverina tsy ho ela ny Police de la Route ho

 

 

an`ireo sampan-draharahan`ny polisim-pirenena manerana ny Nosy;  hamoaka ao anatin`ny fotoana

fohy ny fepetra rehetra mifanaraka amin`izany sehatr`asa izany mba hisorohana mialoha ireo fihetsika rehetra mifanohitra amin`ny lalàna sy ny fitsipi-pifehezana anatiny takian`ny asa maha-polisy. Miantso ny fahatsiarovan-tena sy ny fandraisana andraikitry ny olom-pirenena tsirairay mba hifanome tanana hiady sy hanohitra ny kolikoly an-dalambe ny polisim-pirenena, hoy hatrany ny fanambarana ary hamafisina fa na dia sarotra aza ny ady amin`ny kolikoly dia tsy hilefitra manoloana izany ny Minisitera ary handray avy hatrany ny fepetra mifanandrify

amin`izany. Ankehitriny moa dia andraikitra  roa lehibe no raisin`ny eo anivon`ny

polisim-pirenena : - Fandrindrana ny fifamoivizana, - Fitandroana ny fandriam-pahalemana hatrany

amin`ny elakelan-trano. Araka izany dia nampitomboina ny isan`ireo polisy miantsehatra noho ny

fetin`ny faran`ny taona sy ny taom-baovao. Ho an`Antananarivo manokana dia haraha-maso

manokana ireo jiro maro loko ka mangataka ny fiaraha-miasa amin`ny olom-pirenena hanome

fanampim-baovao. Mbola somary milamindamina aloha ny fifamoivoizana omaly voalohan’ny volana janoary, fa rehefa hiverina hiasa ny mpiasa ary hiditra mianatra ny mpianatra amin’io herinandro ambony io no tena ilaina io resaka fandrindrana ny fifamoivoizana io satria tena mampiteny ny moan any fitohanan’ny fiara; eo ihany ny hoe noho ny lalana efa tery sy ny hamaroan’ny fiara fa betsaka ihany koa ny tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana ka mampikatso ; io indrindra no mila jerena akaiky sy hitondrana vahaolana haingana ary voakasik’io avokoa izay rehetra mampiasa ny arabe.

 

Haja Nirina 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana