Dans la męme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanĂ na.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Ampasika Mody nanosika taksi, kay mpanendaka

02/01/2020

Tovolahy roa 20 taona sy 18 taona no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny boroborintany faha fito (CSP7) ny

 

 

 

 

alatsinainy faha 30 desambra 2019 tokony tamin’ny 1 ora maraina teo amin’ny Akany Faly eny Ampasika rehefa avy nanendaka mpamily fiara-karetsaka miasa alina. Nisy fahasimbana ity fiara karetsaka ity ka ilay mody nanampy izy ireo ary niteny hoe hatosika ilay fiara. Rehefa voatosika tamin’ny toerana mangina dia noendahin’izy ireo ilay mpamily ka lasan’ireo olon-dratsy ny vola sy findain’ilay mpamily. Niantso vonjy ity farany ka sendra ny Polisy nanao fisafohana teny an- toerana indrindra ka raikitra ny fanenjehana ka voasambotra ireto olon-dratsy. Noentina teny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana izy roa lahy ary tamin’ny famotorana natao no nahafantarana fa efa nigadra izy ireo ary izao tratra mameri-keloka izao indray. Marihana fa izy ireo no isan’ny mpitarika an’ireo jiolahy mpanao sitomahery sy mpanendaka eny amin’iny faritra FDC iny izay azahoana fitarainana matetika ary efa tadiavin’ny Polisy nandritra ny fotoana maro. Anio no atolotra ny fampanoavana izy ireo.

 

Hajanirina

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana