Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fiara kia sy taksi be nifandona 22 naratra mafy teny amin’ny By-pass

02/01/2020

Araka ny filazan’ireo teo amin’ny manodidina izay nanatri-maso, nirimorimo vokatry ny Fifanenjehan’ny taksibe an’Ambohimangaleky avy eo amin’ny Fasika Ankadimbahoaka mampitohy an’ny Mahazo

 

 

 

izay nifanehitra tamina fiara marika Kia tampoka tsy nisy taratasy sy fahazoan-dalana hitondra no nahatonga ny loza maromaro nifampitohy. Afak’omaly tamin’ny 4ora sy sasany no nitranga ny lozam-pifamoivoizana teo akaikin’ny Yandi by-pass. Fiara Damas sy taksi ary moto no voadon’ny taksibe ligne E ary nivadika tao amin’ny elatra havanana ity farany. Nahatratra 22 ireo voa mafy nentina notsaboina teny amin’ny HJRA, raha ny tatitry ny polisim-pirenena omaly alina. Tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza, tsy nisy ny aina nafoy fa hetsaky ny rà ny arabe. Tao ireo tsy nahatsiro tena sy naratra mafy. Mampikolay ireo mpandeha ny zotra “E” sasany an’Ambohimangakely izay gaboraraka tanteraka. Tsy vitsy ireo mihodina an-dalana, saika ahitana fifamaliana hatrany eo Besarety izay efa fantatr’ ireo mpamily fa tapaka ny lalana mba tsy hahatongavan’izy ireo any Andravoahangy. Ny firimorimony amin’iny fiolahan’Ambohimahitsy sy Andralanitra ary by-pass moa efa tsy lazaina intsony. Vokatry ny fanafoanana PR ihany koa ny firongatry ny lozam-pifamoivoizana tamin’ity taona ity. Nampahonena ireo naratra voatery nanao fety tsy fidiny tany amin’ny hopitaly noho ny hetraketraky ny mpamily iray. Nitsoaka ny mpamily sy ny manampy azy an’ny ligne E.

 

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana