Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

TAKSIBE ETO ANTANANARIVO Gaboraraka amin’izao volon’andro fety izao

30/12/2019

Samy manao izay danin’ny kibony ny sasany amin’ireo mpamilin’ny taksibe sy ny mpanampy azy amin’izao fety izao.

 

 

Ny saran-dalana tsy misy tapa-dalana kanefa efa nampidinin’ny fitondrana izay mijoro ny vidin-tsolika. Tsy ahitana fanajana ireo mpandeha raha ny filazan’i Michel R. vavolombelona iray. Ny seza anefa mifatotra sady manery ny aoriana (sary). Tsy vitsy ireo mihodina an-dalana. Ny sasany mody atao tsy velona ny fiara fa atosika kely na sokafana ny sarona motera dia ahintsana ny mpandeha. Tsy hita miasa ny ankamaroany, indrindra rehefa hariva ny andro ka mirotsaka ny orana.

Isaky ny hampakatra saran-dalana ihany no ahitana kalitao ireo fiara mpitatitra ka manaraka ny bokin’andraikitra. Miandrandra tambajotran-tserasera  ho amin’ny fitarainana mikasika ny taksibe manokana na “doléance” tantanan’ny manampahefana ny mponin’Iarivo. Ny vesatry ny zotram-pitoriana eto amin’ny Nosy koa mampanjaka io gaboraraka io, tsy manam-potoana hivezivezena hitoriana any amin’ny fitsarana ny lasibatra. Vitsy no sahy mitory tahaka ilay mpitandro filaminana nijoro tamin’ny taksibe nampitohy an’i Mandroseza sy 67ha nihodina an-dalana.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana