Dans la męme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanĂ na.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Halatra solika Mpiasan’ny Jirama 9 tratra

30/12/2019

Nitrangana halatra solika tao amin'ny tobim-pamokarana herinaratry ny Jirama Ambositra ny zoma lasa teo.

 

 

Teo am-panatanterahana ny asa ratsiny ireo mpiasan'ny Jirama miisa 9 no tra-tehaka, ary mbola tratra teny aminy ihany koa ny solika 170 litatra anatina bidon 20 litatra miisa 9. Avy hatrany, dia naiditra am-ponja vonijimaika ireo mpiasa tra-tehaka ireo, raha toa ka mbola hanaovana famotorana kosa ny mpiasan'ny Jirama Ambositra rehetra amin'izao fotoana. Manoloana izany, dia hametraka fitoriana ny minisiteran'ny angovo, ny rano ary ny Akoranafo sy ny Jirama. Efa nametraka fiaraha-miasa amin'ny zandarimaria any an-toerana ihany koa ny talem-paritry ny minisiteran'ny angovo, ny rano ary Akoranafo Ambositra ho fanamafisana ny fiambenana ity toby ity indrindra amin'izao andro fety izao. Ny halatra izay heverina fa madinika tahaka izao, no tena mandrendrika ity orinasam-panjakana Jirama ity. Tsara homarihina anefa ny 70% amin’ny famokarana herinaratra eto amintsika dia mbola mihodina amin'ny Solika avokoa ka raha misy tsy fahampiana amin'ny tobim-pamokarana iray, dia tsy maintsy miafara amin'ny fahatapahan-jiro izany. Iaraha mahalala ihany koa anefa fa latsaka an-katerena tanteraka ny orinasam-panjakana Jirama ka ny fahafahana mamongotra itony karazana halatra itony dia efa fanoitra lehibe ho an'ny fahafahana manarina ny orinasa. Noho izany, hentitra ny minisitera amin'ny fampitandremana ireo mpiasan'ny Jirama rehetra manerana ny Nosy mba tsy hiverenan'ny tranga toy izao intsony.

Patty

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana