Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Trafikana sokatra 72 naverina avy any Kaomoro

30/12/2019

Araka ny fampitam-baovao ofisilian’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra :

 

 

“Tonga soamantsara teo amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ireo sokatra Astrochelys radiate miisa 72 nisy nanondrana an-tsokosoko tao amin’ny Nosy Kaomoro, ny volana novambra lasa teo.” Mahagaga fa tsy nivoaka ny anaran’ny mpanondrana. Azo antoka aloha fa tsy nisy entana niainga teto amin’ny Nosy raha tsy nisy nitondra. Tsy sokadranomasina ihany koa ireto biby arovana ireto ka nilomano no nahatongavany tany.

Vaolaza fa efa misokatra ny fanadihadiana hahafantarana ny tompon’antoka. Saingy teto Madagasikara, misokatra lalan-dava ny fanadihadiana raha tsy olona amoronana “dossier” na mpanohitra ara-politika no tompon’ny ketrika toy izao. Manamaloka tanteraka ny sarin’ny fitondrana izay mijoro araka izany ny raharaha raha tsy hita izay tena tompon’antoka. Tambazotran-jiolahy ambony latabatra efa matianina amin’ny fanondranana no mahavita izao. Etsy andaniny anefa, matoa tratra toy izao ny trafika dia ny firenena any ivelany no mahatratra.

Teto izao, ny polisy tao Kaomoro no nahasarona azy ireo iray voala lasa mahery kely izay. Matoa tratra toy izao eto an-toerana dia ilay mpifaninana ara-barotra no mandaza. Tsy hisy fampandrosoana vanona eto Madagasikara raha an-tsokosoko toy izao no fitavanana toy ny tantely afa-drakotra ny harem-pirenena.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana