Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Haingon’ny tanàna eto Iarivo Nalain’ny mpangalatra sahady

30/12/2019

Misy mangalatra sahady ireo haingon’ny tanànan’Antananarivo napetraky ny Fitondram-panjakana sy ireo jiro manazava ny tanàna ho enti-miady amin’ny asan-jiolahy.

 

 

 

 

 

Anisan’ny efa nahitana izany sahady ny eny Ankorondrano mihazo an’i Masay, raha araka ny fanazavan’ny polisim-pirenena tamin’ny faran’ny herinandro teo. Marihina  anefa dia vao enina andro monja izay no nametrahan’ny fitondram-panjakana ireny haingon-tanàna sy jiro mahafinaritra ireny noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona. Manoloana izany dia tsy hipetra-potsiny ny polisim-pirenena fa handray fepetra mifandraika amin’izany. Hohamafisina hatrany ihany koa ny fitandroana ny fandriampahalemana mandritra ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona rahampitso sy afaka rahampitso alarobia taona vaovao mba hahafahan’ny rehetra mifety amim-pilaminana.  Miisa 1.464 moa raha tsiahivina  ireo polisy nohetsehina mandritra izao fankalazana ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao manerana ny Nosy. Namoaka laharana 034 05 518 18 ahafahana mifampita vaovao mikasika izany halatra jiro izany ny mpitandro filaminana.

Pati sy Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana