Dans la mme rubrique

Olana atrehan’ny firenena Izao no tena ilàna ireo mpanefoefo sy matanjaka

31/03/2020

Tena mafy amin’ny Malagasy ny fepetra raisina mba tsy hiparitahan’ny valan’aretina coronavirus.

Olana atrehan’ny firenena Izao no tena ilàna ireo mpanefoefo sy matanjaka

Hamaky ny tohiny...

Rina Ranaivo-Harisoa Ratsy mpanolotsaina ny filoha

30/03/2020

Mitondra ny fahitàny ny fivoaran` ny toe-draharaha eto amintsika ny mpahay lalàna no sady mpamakafaka politika, Rina Ranaivo-Harisoa, amin` izao fiatrehana ny COVID-19 izao.

Rina Ranaivo-Harisoa Ratsy mpanolotsaina ny filoha

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

28/03/2020

Nitondra hafatra ho an` ny vahoaka Malagasy ny filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, manoloana ny fiatrehana ny areti- mandoza entin’ny Covid-19.

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

28/03/2020

Nanao antsoavo amin’ireo tompon’andraikim-panjakana ao Toliara ny filohan’ny fikambanana Za’gasy sahy mandroso, Jean Navandahy Ratiharison,

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

Hamaky ny tohiny...

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

28/03/2020

Satria tsy misy ny fitaterana toy ny Taksiborosy dia maro amin’ireo tantsaha mpamokatra mpampiaka-bokatra eto Antananarivo monina eny amin’iny

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

26/03/2020

Tsy maintsy hisy fiantraikany maro amin’ireo sehatra ara-toekarena eto amin’ny firenena ny fanapahan-kevitra noraisina indrindra ny amin’ny tsy fivoahana ny trano intsony.

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

26/03/2020

Toa mampihorohoro sy mampatahotra ny olona maneran-tany ny Coronavirus. Raha mikasika an’i Madagasikara manokana, dia vaovao mahafaly fa ny olona

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Filoha Rajoelina Vonon-kiaro ny lalàmpanorenana tokoa ve ?

30/12/2019

Araka ny voafaritry ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho amin`ny taona 2020 dia tsy maintsy hiroso amin`ny fanaovana fitsapan-kevi-bahoaka

mahakasika fanovana ampahany amin’ny Lalàmpanorenana ny fitondrana. Sarotra ny hilaza na tsara na ratsy ilay fanovana na fanitsiana tian’ny fitondrana entina. Tsy afaka hitondra fanazavana na fanohanana na fanakianana momba izany amin’izao fotoana. Hatreto dia tombantombana no entina. Moa ve ireo hevitra nivoitra nandritra ny hetsiky ny depiote 73 no hotanterahan’ny filoha Rajoelina ? Inona tokoa moa no nitambaran’ireo depiote tamin’izany ? Raha tsiahivina, nikasa hikitika lalàmpanorenana ny fitondrana ny volana aprily lasa teo. Mamaivay ny kiana avy amin`ireo mpanara-baovao: tsy voafaritra ny hamehana, maika hikitika ny lalàmpanorenana mba hifanaraka amin`izay mety aminy ny mpitondra… Ny eo amin`ny mpitondra kosa dia tsy maintsy miaro ny politika entiny mitondra ny firenena. Raha te hanatontosa ireo fampanantenany sy ireo velirano nataony ny filohan`ny Repoblika, tsy maintsy miroso amin`ny fitsapan-kevi-bahoaka: hapetraka ireo governora isam-paritra ka ho lasa 23 ny isan`ny faritra, hofidiana ny sefom-pokontany… Tsy olana ny manitsy na manova lalàmpanorenana saingy tokony hatao ao anatin`ny fifampidinihana izany. Tsy azo atao maimaika fa mila ifampiresahana amin`ny mpisehatra politika rehetra ary misy ny dingana sy paika arahina. …. Na i Andry Rajoelina aza dia nanova io lalàmpanorenana io ny taona 2010 mba tena hifanentana taminy satria nihevitra ny hijanona teo, saingy tratry ny “ni…ni…” ny 2013. Mbola lalàm-pifidianana sy lalàna hahafahany mitazona fahefana no nanonganana an-dRajaonarimampianina izay narovan’ny HCC ary iny resy tamin’ny fifidianana iny.

Marigny A.

 

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana