Dans la mme rubrique

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

03/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha afak’omaly.

Ny Rado Rafalimanana Nidoboka eny Antanimora

Hamaky ny tohiny...

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

03/04/2020

Miatrika fotoan-tsraotra ny firenena ankehitriny. Manoloana izany, ny antoko Hery Vaovaon I Madagasikara (HVM) dia hitondra izay voatsirambin` ny tanana ho fanampiana ny mpiray tanindrazana manoloana ity ady iombonana ity.

Antoko HVM Ataovy mangarahara ny fitantanana

Hamaky ny tohiny...

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

02/04/2020

Nisy ny fisamborana an’Atoa Ny Rado Rafalimanana kandida ho filoham-pirenena teo aloha omaly. Tonga teny amin'ny CCI Ivato izy omaly maraina, nitondra ny zaodahiny avy any an-dafy atao fitiliana mikasika ny Covid-19 teny an-toerana.

Ny Rado Rafalimanana Nobedain’ny zandary teny Ivato

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

02/04/2020

Nametraka ny lamina rehetra saingy tsy vitan’ny mpitondra irery. Ny 12 andro manaraka dia tanjona ny hoe mba ho betsaka indray ny olona sitrana.

Andry Rajoelina “Tena sarotra ny manapa-kevitra…”

Hamaky ny tohiny...

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

02/04/2020

Nitondra hafatra ho an’ny tompon’andraikitra eto amin’ny firenena sy ho an’ny olom-pirenena sy ny vahoaka ny Komitin'ny Fahamarinana sy Fandriampahalemana ary Fiadanana (K3F) manoloana izao loza mihatra

K3 F Miantso ireo mpanao politika tsy hanararaotra ny “coronavirus”

Hamaky ny tohiny...

Antsohihy Aro-vava miisa 2000 nozaraina tamin’iroe mpivarotra

02/04/2020

Nitondra vahaolana ho fisorohana ny fiparitahan'ny Coronavirus ao Antsohihy ka nanome aro-vava miisa 2000 ho an'ny mpivarotra any an-toerana ny depiote, Jao Jean mivady.

Antsohihy Aro-vava miisa 2000 nozaraina tamin’iroe mpivarotra

Hamaky ny tohiny...

Vondrona politika KOMBA “Fa iza marina no mibaiko ny Fokontany?” “

02/04/2020

Hita ety ifotony fa mibaiko ny fokontany avokoa na ny Kaominina (izay misy rantsana maro), na ny Distrika, na ny Mpitandro ny filaminana, na ny solombavambahoaka , na ny Fiadidiana ny Repoblika,

Vondrona politika KOMBA “Fa iza marina no mibaiko ny Fokontany?” “

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fiaraha-miasa amin’ny iraisam-pirenena « Isika no nametraka fepetra », hoy Imbiki Herilaza

30/12/2019

«Napetraka ny vina izay navadika ho politika ankapoben’ ny fanjakana. Iaraha-mahalala fa ny 65% ny tetibolam-panjakana dia miantoka amin’ny famatsiam-bola avy any ivelany.

 Noho izany, hiezaka hampiakatra ny famokarana ato anatiny, hampiakatra ny fampidiram-bola anatiny, ary hametraka ny fanjakana tsara tantana amin’ity », hoy i Imbiki Herilaza, sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany raha nanontaniana ny fiaraha-miasantsika amin’ireo firenena vahiny. Nohamafisiny fa napetraka ny fiaraha-miasa matotra tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ary tao anaty tombontsoam-pirenena sady tao anatin’ny fifanajana ny lafiny politika iraisam-pirenena. Rehefa ireny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany tokoa mantsy dia misy ny karazana tamberim-bidy ao anatin’ny fifanaraham-piaraha-miasa ka manoloana izany dia napetraka hatrany ny hambompom-pirenena, hoy izy. Teo amin’ny resaka harena ankibon’ny tany dia voalohany teto amin’ny firenena no nisy hoe ajanona ny fitrandrahana sady tsirihana ny mahakasika ny kaontim-bola sy ny pitsopitson’ny zavatra nivoaka tamin’ny harena ankibon’ny tany tamin’ireny orinasa goavana ireny. Notsipihany manokana fa tsy natao ambanin-javatra ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena satria miaina ao anatin’izany rafitra izany isika. Fa kosa, mipetraka ny fifanajana amin’ny maha firenena mahaleotena i Madagasikara. Noho izany, isika no nametraka fepetra vao afaka niroso kokoa, hoy ity mpahay lalàna ity.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana