Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Zanany 5 taona tsy tiany hijaly Nentiny namono tena tao Tritriva…

27/12/2019

Nahitana fatina mpianaka natsingevan’ny rano efa tsy nisy fofon’aina intsony omaly atoandro tao amin’ny farihin’i Tritriva ao amin’ny distrikan’i Betafo.

 

 

Raha araka ny loharanom-baovao azo avy any Antsirabe dia namono tena ity renim-pianakaviana ity noho ny antony tsy fantatra. Mba tsy hampijaly ilay menaky ny ainy vavikely manodidina ny 5 taona izay voalaza fa hany zanany anefa dia nobabeny ity farany ary nafatony lamba niaraka taminy mba tsy ho afa-mihetsika.  Toy ny nitsoraka avy hatrany tao anaty rano izy mianaka raha ny fahitana azy tamin’ny sary  ka ireo mpitsangatsangana teny an-toerana no nahita voalohany ny razana izay marihina fa tsy nilentika ka nampandre avy hatrany ny mpitandro ny filaminana. Mponina tsy lavitra ity kaominina Tritriva ity ihany izy mianaka ireto, hoy ny vaovao saingy tsy voafaritra tsara kosa ny toeram-ponenany sy ny antony tena nanosika ilay reny handao ny tany amin’ny andro fety tahaka izao. Manodidina ny 40 taona moa Ratompokovavy  ary raha ny tombana sy ny resak’ireo mpanara-baovao  dia mety ho olana ara-pitiavana na vokatry ny tsy fisiana no nanosika azy hamono  tena niaraka tamin-janany tahaka izao. Ny mpandinika ny sary sy nanaraka ity vaovao ity niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera kosa dia nanamafy fa tsy azo heverina ho famonoan-tena no nataon’ity ramatoa ity noho izy mbola nitazona entana teny an-tanany. Ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana no hamoaka ny tena marina.

 

Pati                                       

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana