Dans la męme rubrique

Zokiolona Manahy ny amin’ny vola fisotroan-drononony

10/04/2020

Manahy mafy ny amin’ny vola fisotroan-drononony ireo zokiolona eto amintsika.

Zokiolona Manahy ny amin’ny vola fisotroan-drononony

Hamaky ny tohiny...

Fanolanana zana-bady Raikely 2 nidoboka eny Antanimora

10/04/2020

Lehilahy roa samy nanolana ny zana-badiny avy no nosamborin'ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalana ny alarobia sy zoma lasa teo.

Fanolanana zana-bady Raikely 2 nidoboka eny Antanimora

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Antananarivo renivohitra Hanomboka ny asa fanamboaran-dalana

09/04/2020

Araka ny fampanantenana nataon'ny filoha Andry Rajoelina dia hisy ny asa fanamboaran-dalana hatao amin'izao fotoanan'ny fihibohana tsy hahafahan'ny fiara mifamezivezy izao.

Kaominina Antananarivo renivohitra Hanomboka ny asa fanamboaran-dalana

Hamaky ny tohiny...

Fahasosorana anaty fiarahamonina Miroborobo firehitra toy ny afon-jozoro

09/04/2020

Faritra maro no mbola tsy misitraka ny fanomezana atolotry ny fanjakana na ilay teo aloha na ny rafitra loharano ankehitriny.

Fahasosorana anaty fiarahamonina Miroborobo firehitra toy ny afon-jozoro

Hamaky ny tohiny...

Analamanga, Antsinanana, Matsiatra Ambony Hisy fanisam-bahoaka, homena tohana manokana

09/04/2020

Ny zava-dehibe hataontsika, izay nahazoana famatsiam-bola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena dia ny resaka “digitalisation” eny amin’ny fokontany, hoy ny Filoha.

Analamanga, Antsinanana, Matsiatra Ambony Hisy fanisam-bahoaka, homena tohana manokana

Hamaky ny tohiny...

Vaky vava ingahy Filoha Tena sarotra alamina ny Malagasy

09/04/2020

Ny isan’ny olona mitondra ny tsimokaretina ankehitriny dia 93. Ny mahafaly dia ny hoe na mitombo aza ny voa, dia 11 no sitrana.

Vaky vava ingahy Filoha Tena sarotra alamina ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Olona manana fahasembanana Hozaraina vatsy ihany koa

09/04/2020

Tsy dia voaresaka loatra ireo olona manana fahasembanana ao anatin'izao hamehana ara-pahasalamana izao, ankoatra ireo zokiolona.

Olona manana fahasembanana Hozaraina vatsy ihany koa

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

FAHASALAMANA HO AN’NY REHETRA Hopitaly CHRR 40 hatsangana ny taona 2020

27/12/2019

Mbola betsaka ireo faritra lavitra andriana tsy manana tobim-pitsaboana eto amintsika.

 

 

 

 Anisan’ny tena mitondra faisana amin’izany ireo vehivavy handeha hiteraka ka mila fandidiana maika ankoatra  ireo vehivavy bevohoka mila fanaraha-maso. Tsy latsa-danja amin’izany ireo kilonga madinika tokony hatao vaksiny sy ireo marary mila fitsaboana, indrindra fa ireo lasibatry ny aretina mitaiza sy ireo tratry ny tsy fanjarian-tsakafo. Nitondra vahaolana mifandraika amin’izany ny profesora Julio Rakotonirina, minisitry ny fahasalamam-bahoaka omaly tany Ambositra. Nambarany fa hopitaly CHRR  miisa 40 no hatsangana eto amintsika manomboka amin’ny taona vaovao 2020 ho avy io, asa hitohy hatramin’ny taona 2021. Tanjon’ny fitondram-panjakana ny hahatanteraka ilay teny filamatra manao hoe fahasalamana ho an’ny rehetra, entina hampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza eo am-piterahana. Nisy moa omaly ny fizarana fanomezana ho ana renim-pianakaviana vao tera-bao miisa 10 sy ankizy marary miisa 15 tsaboina ao Ambositra nataon’ny minisitra noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona. Notoloran’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka tamin’ny alalan’ny DHRD, fitaovam-pitarafana (Appareil radiologique, appareil échographique) ary matelas miisa 20 ny CHRR Maintirano. Ho avy tsy ho ela ihany koa ireo anjaran’ny CHRD Antsalova, CHRD Besalampy, CHRD Ambatomainty, CHRD Morafenobe.

Pati sy Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana