Dans la mme rubrique

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

28/03/2020

Nitondra hafatra ho an` ny vahoaka Malagasy ny filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, manoloana ny fiatrehana ny areti- mandoza entin’ny Covid-19.

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

28/03/2020

Nanao antsoavo amin’ireo tompon’andraikim-panjakana ao Toliara ny filohan’ny fikambanana Za’gasy sahy mandroso, Jean Navandahy Ratiharison,

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

Hamaky ny tohiny...

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

28/03/2020

Satria tsy misy ny fitaterana toy ny Taksiborosy dia maro amin’ireo tantsaha mpamokatra mpampiaka-bokatra eto Antananarivo monina eny amin’iny

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

26/03/2020

Tsy maintsy hisy fiantraikany maro amin’ireo sehatra ara-toekarena eto amin’ny firenena ny fanapahan-kevitra noraisina indrindra ny amin’ny tsy fivoahana ny trano intsony.

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

26/03/2020

Toa mampihorohoro sy mampatahotra ny olona maneran-tany ny Coronavirus. Raha mikasika an’i Madagasikara manokana, dia vaovao mahafaly fa ny olona

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

Hamaky ny tohiny...

Hanitra Razafimanantsoa “Tsy hanavahana ny fepetra raisina”

24/03/2020

“3 no narary ny zoma , 12 "cas confirmés" sahady ny alahady. Ireo aloha no azon' ny Filoha notenenina”hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Mipetraka kosa ny fanontaniana, hoy izy:

Hanitra Razafimanantsoa “Tsy hanavahana ny fepetra raisina”

Hamaky ny tohiny...

Antoko TAMAMI “Fotoana hisokafan’ny fitondrana izao!”

24/03/2020

Fotoana izao hanehoana ny firaisankinam-pirenena, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika TAMAMI.

Antoko TAMAMI “Fotoana hisokafan’ny fitondrana izao!”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Laharam-pahamehan’ny fanjakana Tena tsy natao ho an’ny vahoaka madinika

26/12/2019

Mafy iny taona 2019 iny tamin’ny ankapobeny na teo amin’ny tontolo politika na ny sosialy.

Tena miaritra ny vahoaka amin’ny karazana olana samihafa ara-tsosialy, tsy tena misy vahaolana. Miakatra ny vidim-piainana, ny rano sy ny jiro hatramin’izao tsy mivaha ny olana, ny mpitondra fanjakana mampanantena hatrany, kanefa ny efa nambara aza tsy vita akory. Toa efa zatra miaina ao anaty fahasahiranana anefa ny Malagasy, ka toa miaritra hatrany. Ny hany hita taratra, dia mihena ny fahavitrihany any anaty fandraisana anjara amin’ny raharaham-pirenena. Ny zavatra tsikaritra, dia toa misy ihany ny azo atao fa ny laharam-pahamehana ho an’ny fanjakana afaka manao izany no tsy arakaraka ny filan’ny vahoaka. Ny tetibolam-panjakana, dia toa manome vahana ny manan-katao. Nohalefahana ny fandoavan-ketra ho an’ny mpanafatra fiara, ka rehefa mahalafo vao mandoa haban-tseranana, nofoanana na nohalefahana ihany koa ny fampidirana gazy kanefa mba firy isan-jato amin’ny Malagasy moa no misitraka izany ? Ny JIRAMA anefa dia nofoanana ny tosika ara-bola, izay raha halalinina, dia mizotra tsikelikely mankany amin’ny fampiharana ny vidiny tena izy (vérité de prix). Etsy an-daniny, ahiana hampiakatra vidim-piainana ny fitadiavam-bolan’ny fanjakana amin’ny hetra: 8% ny tataon-ketra alaina amin’ny resaka tsenan’asam-panjakana, ka  221 miliara ariary no heverina fa hampidiriny. 600Ar isaky ny litatra ny hetra alaina amin’ny fampidirana labiera, hampidirana 20 miliara ariary mahery. 100Ar isaky ny litatra ho an’ny ranom-boankazo. 1390Ar isaky “paquet de 20” ho an’ny sigara, hahazoana 15 miliara mahery. Hakarina 10% ny tataon-ketra alaina amin’ny fampidirana fitaovana ho an’ny « télécommunication », heverina hampiditra 40,48 miliara. 50 miliara no tanjona amin’ny katsaka sy ny “blé” na varimbazaha izay 10% niakatra 10% ny hetra,… Miiba 15,51 miliara ihany koa ny fanalefahana ara-ketra ho an’ireo etona fampiasa an-tokantrano (gaz domestique).  Tsy hoe rehefa ireo ihany no nokitihina, dia ireo no hiakatra na hidina, fa mety hisy fiantraikany amin’ny zavatra hafa.

Toky  R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana