Dans la mme rubrique

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

28/03/2020

Nitondra hafatra ho an` ny vahoaka Malagasy ny filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, manoloana ny fiatrehana ny areti- mandoza entin’ny Covid-19.

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

28/03/2020

Nanao antsoavo amin’ireo tompon’andraikim-panjakana ao Toliara ny filohan’ny fikambanana Za’gasy sahy mandroso, Jean Navandahy Ratiharison,

Filohan’ny Za’gasy Nisy nanafika tao Toliara

Hamaky ny tohiny...

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

28/03/2020

Satria tsy misy ny fitaterana toy ny Taksiborosy dia maro amin’ireo tantsaha mpamokatra mpampiaka-bokatra eto Antananarivo monina eny amin’iny

Vokatra tsy tafavoaka Lasa feno mpivarotra amoron-dalana eny Ambatomirahavavy

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

26/03/2020

Tsy maintsy hisy fiantraikany maro amin’ireo sehatra ara-toekarena eto amin’ny firenena ny fanapahan-kevitra noraisina indrindra ny amin’ny tsy fivoahana ny trano intsony.

Fanjakana sy Sehatra tsy miankina Nifanaraka fa tsy hisy fandroahana mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

26/03/2020

Toa mampihorohoro sy mampatahotra ny olona maneran-tany ny Coronavirus. Raha mikasika an’i Madagasikara manokana, dia vaovao mahafaly fa ny olona

Andry Rajoelina “10 andro sisa ny ady…”

Hamaky ny tohiny...

Hanitra Razafimanantsoa “Tsy hanavahana ny fepetra raisina”

24/03/2020

“3 no narary ny zoma , 12 "cas confirmés" sahady ny alahady. Ireo aloha no azon' ny Filoha notenenina”hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Mipetraka kosa ny fanontaniana, hoy izy:

Hanitra Razafimanantsoa “Tsy hanavahana ny fepetra raisina”

Hamaky ny tohiny...

Antoko TAMAMI “Fotoana hisokafan’ny fitondrana izao!”

24/03/2020

Fotoana izao hanehoana ny firaisankinam-pirenena, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika TAMAMI.

Antoko TAMAMI “Fotoana hisokafan’ny fitondrana izao!”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Praiminisitra Ntsay Christian « Tsy mifanaraka amin`ny IEM ny lalàna eto…»

26/12/2019

Nanao jery todika momba ny asa vita tamin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny fampiharana ny fanavaozana rehetra napetraka,

araka ny vinan’ny Filoham-pirenena sy ny fampantenana nataony tamin’ny vahoaka Malagasy, ny praiminisitra Ntsay Christian teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo ny talata 24 desambra lasa teo. Nandritra ny lahateniny dia nambarany fa mila atao mifanaraka ny takian’ny vaninandro izao ny rafitra misy eto amintsika. Ny  filohan’ny repoblika mitondra vina ka ny governemanta no mamadika azy ho politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Notanterahina izany ka nentina teo amin’ny antenimiera roa tonta. Novana ny tetibolam-panjakana fa tsy mifanaraka amin’ny PGE. Ny zava-dehibe faharoa dia ny fanavaozana seha-pihariana. Tsy maintsy atao mba hahafahana manatsara ireo sehatra ireo, hoy izy. Nomarihany hatrany fa ny firenena eran-tany dia tsy maintsy manao fanavaozana toy izany. Raha ny lalàna teto amin’ny firenena dia efa tamin’ny 30 taona sy 50 taona lasa kanefa tsy mifanentana amin’ny zavatra takiana sy ny vina hampandrosoana ny firenena. Izay no antony tsy maintsy hirosoana amin’ny fanavaozana maro. Rehefa manomboka ny fe-potoam-piasana iray dia miroso amin’ny fanavaozavana. Raha zohina izay dia tsy hiandry ela ny firosoana amin’ny fanavaozana ny lalàmpanorenana, ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana taona 2020 rahateo dia efa mamaritra izany. Marihina hatrany fa ny filoham-pirenena amin’izao no rain’ny Repoblika fahefatra tamin’ny taona 2010 ka antenaina mba tsy ho kitoatoa ny fandrafetana izany ary tsy hohitsakitsahina toy ny fanaony amin’izao.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana