Dans la mme rubrique

Naina Andriantsitohaina “Mila olom-baovao ny firenena…”

08/04/2020

Araka ny voalazan’ny Filohan’ny Repoblika, dia hapetraka ny komity « Loharano » eny anivon’ny Fokontany sy ny « secteurs ».

Naina Andriantsitohaina “Mila olom-baovao ny firenena…”

Hamaky ny tohiny...

Antoko Natiora “Nijoro ho Raiamandreny ny filoha Ravalomanana.”

08/04/2020

Ireny fijoroan’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, ireny no atao hoe fijoroana Raiamandreny, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, raha naneho ny heviny mikasika ny fivahinianan’ity filoham-pirenena teo aloha tamina fahitalavitra tsy miankina iray.

Antoko Natiora “Nijoro ho Raiamandreny ny filoha Ravalomanana.”

Hamaky ny tohiny...

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

07/04/2020

Re fa novaina ny toerana izay ipetrahan’i Mbola Rajaonah ao amin’ny fonjan’i Tsiafahy.

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana “Ho very eto isika raha tsy mifanampy”

07/04/2020

Miady amin’ny zavatra tsy fantatra sy tsy nampoizina, izay mila fahakingana. Tsy sanatriavin’ny vava mitady toerana sy mitady fahefana aho, fa te hanampy, te hizara traikefa, hoy i Marc Ravalomanana omaly tamina fandaharana manokana.

Marc Ravalomanana “Ho very eto isika raha tsy mifanampy”

Hamaky ny tohiny...

Mitohy ny fihibohana ! Mikatona ny sekoly, tsy misy fitateram-bahoaka…

06/04/2020

Tohizana ny ezaka efa natomboka, hoy ny filoha Andry Rajoelina nandritra ny kabariny halina ;

Mitohy ny fihibohana ! Mikatona ny sekoly, tsy misy fitateram-bahoaka…

Hamaky ny tohiny...

Fakan-kevitra Voahilika ireo hery politika sy fiarahamonim-pirenena

06/04/2020

Ny sabotsy lasa teo no nandray ireo filoham-piangonana eo anivon` ny FFKM, sy ireo filohanà andrim-panjakana,

Fakan-kevitra Voahilika ireo hery politika sy fiarahamonim-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Arphine Rahelisoa Tsy mbola fantatra ny daty hitsarana azy

06/04/2020

Fanalam-baraka, manosika ny olona tsy hitia ny filoham-pirenena no ambara fa vesatra hanenjehana an-dRahelisoa,

Arphine Rahelisoa Tsy mbola fantatra ny daty hitsarana azy

Hamaky ny tohiny...


Politique

Tetibolam-panjakana 2020 Fitaovana ho an’ ny IEM tokoa ve ?

24/12/2019

Hitondra antsika mankaiza tokoa ny tetibolam-panjakana 2020? Miisa 5,5% ny tahan’ ny harinkarena faobe ekonomika raha 4,7% ny antontan-isa nandrandraina ho amin’ ity taona 2019.

 

Nahitàna fitomboana izany saingy tsy ampy raha tiana hahomby ny « émergence » izay mila tahan’ ny harinkarena farafahakeliny 6%. Ireo sehatra andrasana hampiakatra betsaka ny famokaran-karena dia ny fambolena (+5,6%), indostria (+7,4%) ary ny asa vaventy (+11%). Manodidina ny 6% kosa ny « niveau d’inflation » raha toa ka 4% monja ny fidinan’ ny sandam-bola andrasana. Eo amin’ ny sehatry ny tsena ivelany dia hisy fampitomboana 15% eo amin’ ny fampidirana entana, izay hotohanan’ ny famatsiam-bolam-panjakana, raha toa kosa ka 7% ny fanondranana entana izay mety hiteraka « déficit commercial » hatramin’ ny -602 tapitrisa DTS raha toa ka -457 tapitrisa DTS tamin’ ny taona 2019. Ny tetibola amin’ ny ankapobeany dia mitentina 10 270 miliara ariary, izay mitovy tamin’ny tetibola 2019 ihany. Raha izany, dia latsaky ny 25% ny tahan’ ny harinkarena faobe (PIB). Ny fandaniana natokana ho an’ ny asam-panjakana dia 5 048 miliara ariary, izany hoe 12%n’ ny  PIB. Mipetraka ny fanontaniana : Inona avy ireo fitaovana ho ampiasain’ ny fanjakana mba hahafana misarika ireo mpamatsy vola ? Farafahakeliny, mihoatra ny 13% ny PIB, izany hoe 5 500 miliara ariary. Hatreto tena mifamahofaho tanteraka izany ary moana ny LFI 2020. Mahakasika ny famatsiam-bola ho an’ ny sehatry ny tsy miankina, dia hisy fametrahana faritra manokana ho amin’ ny fampiasam-bola saingy toa tsy voafaritra ny toerana na koa ny isany ary ireo petra-bola ho an’ ireo « start-ups ». Voalaza kosa fa hisy fametrahana orinasa vahiny eo amin’ ny sehatra ara-tsakafo, simenitra ary angovo. Kanefa, misy ireo fepetra  fampihenan-ketra ho an’ amin’ ny fampidirana fitaovana ho an’ ny indostria ara-tsakafo ; etsy ankilany, mihatra ho an’ ireo orinasa misehatra amin’ ny fahasalamana sy fanabeazana izany. Araka izany, mbola sarotra no hamaritana fa ity LFI 2020 ity dia anisan’ ireo fitaovana hametrahana ny « Initiative Emergence Madagascar ». Tsy mifandraika amin’ ny paikady nahafahan’ ireo firenena asiatika izay nametraka ny fahombiazany ara-toekarena teo amin’ ny fampiroboroboana ny famatsiam-bola tsy miankina vahiny sy teo amin’ ny fanondranana entana.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana