Dans la mme rubrique

Fanagadrana an’i Arphine Rahelisoa Niditra an-tsehatra ihany koa ny UPF

07/04/2020

Taorian’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) izay mitaky tsy misy fepetra ny famoahana, dia naneho ny heviny ary nanipika ny UPF (Union de Presse Francophone),

Fanagadrana an’i Arphine Rahelisoa Niditra an-tsehatra ihany koa ny UPF

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Hipoka olona hatrany ny maraina

07/04/2020

Taorian` ny kabarin` ny filoham-pirenena, izay nilaza fa nitarina 15 andro ny fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana eto amin` ny tany sy ny firenena dia toa lasa fahazarana sisa izany ankehitriny.

Antananarivo Hipoka olona hatrany ny maraina

Hamaky ny tohiny...

Frantsay nandao an’i Madagasikara Tsy mahatoky ny rafitra ara-pahasalamana eto…

06/04/2020

Sidina manokana avy any Lafrantsa " Boeing 777" no tonga teny Ivato naka ireo teratany Frantsay sy ireo Malagasy sasany mizaka ny zom-pirenena Frantsay nody any Frantsa ny sabotsy 4 aprily teo .

Frantsay nandao an’i Madagasikara Tsy mahatoky ny rafitra ara-pahasalamana eto…

Hamaky ny tohiny...

Fianakaviamben’ny mpanao gazety Avoahy i Arphine !

06/04/2020

Manoloana ny fanambarana nataona tompon’andraikitra iray eo anivon’ny rantsana miady amin’ny “cybercriminalité”

Fianakaviamben’ny mpanao gazety Avoahy i Arphine !

Hamaky ny tohiny...

Firaisan-kina Sino-Malagasy Nanolotra vola sy fitaovana ho an’ny CHU Anosiala

06/04/2020

Ny ady amin` ny COVID-19 no mbola ahamehana eto amin` ny firenena.

Firaisan-kina Sino-Malagasy Nanolotra vola sy fitaovana ho an’ny CHU Anosiala

Hamaky ny tohiny...

Guy Rivo Randrianarisoa “ Mora fantarina ny tena meloka…”

06/04/2020

Fantatro ary tena fantatro tsara i Arphine Helisoa eo amin'ny sehatr’asa fanaovan-gazety, hoy ny solombavambahoakan’i Madagasikara teo aloha, Guy Rivo Randrianarisoa.

Guy Rivo Randrianarisoa “ Mora fantarina ny tena meloka…”

Hamaky ny tohiny...

Omby nomena ny voafonja tany antsiranana Nolazain'ny mpitandron'ny filaminana fa omby halatra

06/04/2020

Mpangalatra omby iray fanta-daza any Antsiranana amin'ny fidirany sy fivoahany ny fonja no mbola nahazo fahafahana vonjimaika nivoaka ny fonjan'Antsiranana indray .

Omby nomena ny voafonja tany antsiranana Nolazain'ny mpitandron'ny filaminana fa omby halatra

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fanaovana kolikoly Ny fonksionera no lohalaharana…

24/12/2019

Volabe no mihodina amin’ny kolikoly, ana miliara dolara maro. Mampahantra ny firenena fa mampanankarena antokon’olom-bitsy izy io.

 

Raha ny antontan’isa voaray teo anivon’ny BIANCO dia miisa 240 ireo olona voakasiky ny fanenjehana nanomboka ny 1 jolay hatramin’ny 30 septambra 2019. Ny fonksionera « cadre A,B,CD » no tena ahitana tranga kolikoly satria miisa 65 izy ireo no voakasiky ny fanenjehana. Manaraka azy ireo olom-boafidy toy ny ben’ny tanàna sy mpanolotsaina izay miisa 39. Eo amin’ny laharana fahatelo kosa ireo fonksionera amin’ny fitantanam-paritra. Fanetribe manimba ny fiarahamonina ny kolikoly, tsolotra, risoriso sy ny maro hafa. Raha ny zava-misy amin’izao dia hita ho migalabona ireo olona manampahefana sy tompon’andraikitra samihafa raha oharina amin’ny vahoaka izay mpikarama isam-bolana na koa manao asa tenany. Vao mainka mihanaka ihany ny eto Madagasikara ary mahazo ny seha-piainana samihafa toy ny eo amin’ny fifaneraseran’ny mpiarabelona. Amin’izao, alaim-panahy koa ny tanora satria mahita fa rehefa manao kolikoly dia mahazo volabe tsy an-kihetsika eo ary toa mandeha ho azy ny fiainana. Hatramina diplaoma hosoka sy sandoka aza vita. Koa mila hamafisina foana ny ady amin’ny koliloy mba tsy hampiana-dratsy. Iarahan’ny firenena miaiky fa fanetriben’ny fampandrosoana ary mizaka fatiantoka amin’izany i Afrika, raha ny fantatra tamin’ny fivoriana farany natao teto amintsika ny volana novambra lasa teo. Marihina fa lah. faha-152 i Madagasikara amin’ireo firenena 180 maneran-tany tamin’ny 2018 raha toa ka lah. faha- 155 ny taona 2017. Mba ahoana kosa ity taona 2019 ity ?

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana