Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Andohan’Analakely Voaroban’ny jiolahy ny « versement » n’ilay taksibe

18/12/2019

Jiolahy mihoatra ny efatra miseho ho mpiandry taksibe no nandrombaka ny vola mitentina iray hetsy ariary mahery teny an-tanan’ny mpamily mpanampy.

 

 

 

Teo Andohan’Analakely tamin’ny 8 ora mahery, afak’omaly alina no nitranga ny fanendahana. Vitsy mpanjifa mantsy ireo taksibe taorian’ny rotsak’orana izay nitranga. Ilay mpamily mpanampy koa toa nasesi-doza fa nanisa ireo vola teny an-tanany.

“Nambanan’ny jiolahy roa antsy ilay resevera fa ny olon-dratsy  fahatelo kosa nitsaingoka ireo vola. Ny fahefatra mpanara-maso ny manodidina. Tsy nisy ny naratra fa vao nitabataba ilay mpamily mpanampy dia nentin’ilay mpanamory nirifatra ilay taksibe”, hoy i Mamy Ramanana. Nahita mpitandro filaminana izy ireo tany amin’ny toeran-kafa toa an’Anosy fa sendra tsy nisy tazana teo Andohan’Analakely. Mahomby ny asan’ny mpitandro filaminana manao fanamiana sivily. Andrandrain’ny mpanara-baovao koa ny tsy andehanan’izy ireo ireny fiarany ireny fa fiarakaretsaka na hafa tahaka ny fiandrasany taksibe kendritohina ny atoandro, teny Anosy sy manamorona ny tohatohabaton’Antaninarenina no mety hahajoko mpanendaka.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana