Dans la męme rubrique

Vaka ihany ny saina

09/04/2020

Mivahavaha ny fiheritreretana manoloana ny zava-mitranga rehetra.

Vaka ihany ny saina

Hamaky ny tohiny...

Be loatra ny ahiahy tsy hihavanana

08/04/2020

Tsy lavina fa ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana isika Malagasy amin’izao fotoana izao. Samihafa ny hamehana na ny “Etat d’Urgence”

Be loatra ny ahiahy tsy hihavanana

Hamaky ny tohiny...

Fotoana fibebahana

07/04/2020

Ao anatin’ny fankalazana ny herinandro masina moa ankehitriny ny mpino Kristianina.

Fotoana fibebahana

Hamaky ny tohiny...

Mitaky fahamatorana

06/04/2020

Raha misy ny lesona iray tena lehibe tokony ho tsoahan’ny tsirairay, amin’izao fandalovan’ny Coronavirus izao na olom-pirenena io na mpitondra fanjakana dia ny fandaminana.

Mitaky fahamatorana

Hamaky ny tohiny...

Marimpana hafahafa

04/04/2020

Naman’ny atao hoe tontosa izany aloha izay ny andiany voalohany tamin’ny fisedran’i Madagasikara ny fihibohana an-trano hiarovan-tena amin’ny

Marimpana hafahafa

Hamaky ny tohiny...

Mampiroaroa saina

03/04/2020

Adihevitra hatrany am-piandohana ny momba ny fifehezana ny fidiran’ny valanaretina coronavirus, ka nivoahan’ny resaka fanakatonana sisin-tany na fampitsaharana ny sidina avy any Eoropa.

Mampiroaroa saina

Hamaky ny tohiny...

Aiza ny fihainoana ny hafa?

02/04/2020

Na dia miezaka ny mampitony sy mampiseho amin’ny vahoaka malagasy fa mahafehy an’ity fahavalom-pirenena iombonantsika ankehitriny ity aza ny

Aiza ny fihainoana ny hafa?

Hamaky ny tohiny...


Edito

Mampiana-dratsy vahoaka

18/12/2019

Madiva hifarana ny taona 2019 ary hita ho miha mafana hatrany ny toe-draharaham-pirenena ao anatin’izao akatoky ny fety izao.

 

Azo ampoizina ary tokony ho ampoizina fa ho ratsy ny tondro ho an’ny taona vaovao 2020 izay ho avy tsy ho ela. Tsy misy fiainana tsy hiha sarotra rahateo tokoa moa eto ambonin’ny tany saingy ny firenen-kafa mba efa nahazo tsirony tamin’izany fahaizana mifehy krizy izany ihany fa isika kosa dia krizy lavareny foana hatreto no hita mandavan-taona. Asa na rahoviana ihany vao ho tanteraka eto ilay hira hoe mbola ho avy ilay maraina vaovao. Ny Jirama io efa manambana an-kolaka fa hampiakatra ny vidin-jiro na dia tapahany lava aza ny hazavana eto Madagasikara. Mazava ho azy fa miara-dalana amin’izany koa ilay rano efa mitovy amin’ny lokon-tsokola indraindray. Misy fotoana toy ny ranom-boamadilo. Misy fotoana koa toy ny ranon-tsavony. Etsy ankilany anefa dia zary mampiana-dratsy vahoaka hatrany no ataon’ireo mpanapa-kevitra eo amin’ny fitondrana. Idiran’ny mpitandro filaminana an-keriny ny faritry ny oniversite. Ny lapam-panjakana sy ny biraom-panjakana rehetra hita ho manomboka lokoina volom-boasary daholo. Izany hoe ho dontoina sy sasana atidoha tsy afaka hisafidy afa-tsy fomba fijery sy firehan-kevitra afa-tsy tokana monja ve izany ny vahoaka ka ho hesoirina aminy tsikelikely ny fahatsapana fa manana zo halalaka amin’ny fanehoan-keviny izy amin’ny maha tany demokratika antsika? Endrika ivelany moa izay fandokoana trano izay fa iaraha-maheno isan’andro koa ankehitriny ny fitarainana maro samihafa, indrindra, anatin’ireny andrim-panjakana ireny fa izay mitovy loko amin’ny fitondrana ihany no mahazo avara-patana sy toerana eto. Mitady hiverina amin’ny 40 taona lasa mahery tokoa izany fomba fanao izany ka aiza moa no handroso?

J. Mirija 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana