Dans la męme rubrique

Komity loharano Lasa mampisavorovoro fokontany

10/04/2020

Sosotra sy tezitra ireo mponina teny Masinandriana Avaradrano satria nambaran’izy ireo fa kiantrano an-trano izay tsy izy ny fananganana ny komity

Komity loharano Lasa mampisavorovoro fokontany

Hamaky ny tohiny...

Fiara mifono vy sy basy Izay ve no vahaolana mety indrindra ?

10/04/2020

Hita fa tsy misangy tokoa ny fanjakana ka namoaka ireo fiara mifono vy amin’izao hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara izao.

Fiara mifono vy sy basy Izay ve no vahaolana mety indrindra ?

Hamaky ny tohiny...

Hetsika Rohy “Tsy ekena ny fanagadrana mpanao gazety »

09/04/2020

Ny Hetsiky ny Firaisamonim-pirenena ROHY dia maneho etoana ny tsy fankasitrahany manoloana ny fitazonana amponja an-dRamatoa Rahelisoa Arphine,

Hetsika Rohy “Tsy ekena ny fanagadrana mpanao gazety »

Hamaky ny tohiny...

Mpanao gazety Arphine Helisoa Naverin’ny fitsarana any am-ponja

09/04/2020

Taorian’ny fampakarana ny raharaha sy ny fangatahana famotsorana vonjimaika ny mpanao gazety,

Mpanao gazety Arphine Helisoa Naverin’ny fitsarana any am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Naina Andriantsitohaina “Mila olom-baovao ny firenena…”

08/04/2020

Araka ny voalazan’ny Filohan’ny Repoblika, dia hapetraka ny komity « Loharano » eny anivon’ny Fokontany sy ny « secteurs ».

Naina Andriantsitohaina “Mila olom-baovao ny firenena…”

Hamaky ny tohiny...

Antoko Natiora “Nijoro ho Raiamandreny ny filoha Ravalomanana.”

08/04/2020

Ireny fijoroan’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, ireny no atao hoe fijoroana Raiamandreny, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, raha naneho ny heviny mikasika ny fivahinianan’ity filoham-pirenena teo aloha tamina fahitalavitra tsy miankina iray.

Antoko Natiora “Nijoro ho Raiamandreny ny filoha Ravalomanana.”

Hamaky ny tohiny...

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

07/04/2020

Re fa novaina ny toerana izay ipetrahan’i Mbola Rajaonah ao amin’ny fonjan’i Tsiafahy.

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

Hamaky ny tohiny...


Politique

Manomboka ny gidragidra Miverina amin-dRajoelina ny nataony ?

18/12/2019

18 desambra 2008-18 desambra 2019 ! Feno 11 taona katroka anio ny niantsoan’i Andry Rajoelina vahoaka hidina an-dalambe rehefa

 

 

 

nakatona ny onjam-peo Viva rehefa avy nandefa ilay horonan-tsarin’ny amiraly Didier Ratsiraka tena nihantsy ady ny fitondrana Ravalomanana tamin’izany fotoana. Nivadika ho fanonganam-panjakana avy eo. Ankehitriny, toa mitamberina amin-dRajoelina io, raha dinihina amin’ny endrika krizy samihafa. Raha filaminana no heverina fa hiseho ao anatin’izao ankatoky ny fety izao, dia io fa sesilany ny fidinana an-dalambe, toy ny zava-miseho eny amin’ny anjerimanontolo. Mafana ny fifandonana, raha ny zava-niseho tetsy Ankatso sy Ampohipo noho ny grevin’ny mpianatra noho tsy famahana olana sy ny fanesorana mpianatra amin’ny trano itoerany. Fifanenjehana sy fifandonana ary tonga hatramin’ny hazalambo ka 3 voasambotra omaly. Miatrana am-bava basy ny mpitandro filaminana ary efa miaramila misatro-mena no hita teny amin’ny manodidina ny ENS Ampefiloha omaly fa tsy zandary na polisy intsony. Toy ny any amin’ny tany miady i Madagasikara. Ny raharaha politika mbola mananontanona ary ahiana hafana tanteraka ny raharaha amin’ny taona vaovao io. Navela malalaka i Andry Rajoelina sy ny tariny ny taona 2009. Notokanany ho kianjan’ny demokrasia tetsy amin’ny Kianjan’Ambohijatovo saingy tsy nijanona tao izy fa nidina teny amin’ny Kianja 13 mey. Rehefa navela nalalaka teo, dia niitatra ny hevitra, ka i Andry Rajoelina no toa nanome tso-drano ny olony nandeha nandoro ny TVM sy ny RNM tetsy Anosy, niafara tamin’ny fandrobana sy ny fandorana tranombarotra maro, indrindra fa ny fananan’i Marc Ravalomanana toy ny MBS sy ny Tiko. Natao fitaovana tamin’ireny ny hoe tezitra ny vahoaka, fa ankehitriny izany tsy tezitra eo anatrehan’ny olana maro tsy mivaha : fampianarana, fandriampahalemana, jiro, rano, vidim-piainana,… tsy misy mivaha fa boriboriana amin’ny hoe aza manakorontana. Raha vao hisambotra ireo lohandohan’ny mpisorona amin’izao anefa ny fanjakana, dia vao mainka handrehitra sy hampitatra ny toe-draharaha. Endrika ratsy ho azy sy tsy fahazakana demokrasia ny fianteherana amin’ny herim-pamoretana toy ny natao tamin’ny tetezamita.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana