Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Antsampandrano Antsirabe II Nananganan’ny fokonolona birao ny zandary

16/12/2019

Zon’ny olom-pirenena ny hiaina anaty filaminana, andraikitry ny fitondrana no manome fitaovana sy fotodrafitrasa ireo mpitandro filaminana.

 

 

 

 

Tsy niandriandry ny fokonolona fa niara-nientana nanao biraon’ny zandary tao Antsampandrano, Kianjasoa, kaominina Ambohibary , distrikan’Antsirabe II. Ny zoma teo no notokanan’ny lefitry ny kaomandin’ny Vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Antsirabe sy ny lehiben’ny Tobim-paritry ny zandarimaria Antsirabe, ary ny Ben’ny tanàna Ambohibary izany, izay nandanian’ny fokonolona mondron-kery hatramin’ny 4.500.000 Ariary. Nisy fanafihan-jiolahy am-polony maro nirongo fitaovam-piadiana teo an-toerana, ny alin’ny 24 febroary teo. Voatafika koa ny fiara nandalo tamin’iny lalam-pirenena faha-43 iny. Maro ny zavatra voaroba, nisy koa ny naratran’ny famaky sy ny lefona. Nanomboka teo dia nasiana « poste fixe » teo an-toerana ary izao nahazo biraon’ny zandary. Manana andraikitra manome vaovao amin’ny zandary sy miaro tena koa ny isan-tanàna, raha ny fampitam-baovaon’ny

zandary tamin’io zoma io. Azo antoka fa hifindra any an-kafa indray ny jiolahy izay efa tokony hanorenana “poste fixe”.

 

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana