Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Lozam-pifamoivoizana tany Manandriana 6 maty, 7 naratra mafy

16/12/2019

Roa no voa mafy tamin’ireo 8 naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana afak’omaly hariva, tamin’ny

 

 

 

 

 

7ora latsaka fahefany. Tsy tana ny ain’ny iray tamin’ireo naratra mafy na efa tonga tao amin’ny hopitalin’ny faritra Amoron’i Mania ao Ambositra aza ka tafakatra 6 no maty, raha ny resaka

manokana nifanaovana tamin’ny lehiben’ny tobim-paritry ny zandary ao Manandriana. Voalazan’ity farany fa vokatry ny fitsoahan’ny kodiarana mifanitsy amin’ny mpamily no nahatonga ny loza izay

tanaty fiolahan’ny lalana anaty fokontanin’i Tsiakato Andrefana Ambatomarina, distrikan’i Manandriana. 15m any amoron-tanimbary vao tafajanona ilay fiara feno fotsimbary. Avy any Ambatofinandrahana ho any Ambositra ity fiara vaventy tra-doza ity. Saika mponina avy ao Ambositra sy Ivato ary Ambatomarina avokoa ireo tao anaty fiara ka izao tra-doza izao. Mpitatitra vary miaraka amin’ny tompona fiarabe izay mpanangom-bokatra avy any Ambondromisotra ihany koa anisan’ireo tao anaty fiara. Efa am-pelatan’ny mpitandro filaminana hanatanterahana ny fanadihadiana ombana famotorana ny mpamily izay tsy naratra raha ny vaovaon’ny zandary hatrany. Marihina moa fa maro eto Madagasikara no tsy tongan’ny taksibrosy, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny rotsak’orana izao ka mandeha amin’ny fiara mpitatitr’entana ny mponina. Noho ny tsy fandriampahalemana koa dia zaran’ny mpamily aza mba misy namana.

 

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana