Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Vaky trano sy fanafihana Jiolahy 3 matin’ny fokonolona

16/12/2019

Efa eo am-pizoran’ny fanamborana ny tohin’ny raharaha tao Andranomifotitra ,

 

 

 

kaominina Maroambihy, Sambava ny mpitandro filaminana, raha ny tafa manokana nifanaovana tamin’ny lehiben’ny zandarimariam-pirenena ao amin’ny vondron-tobim-paritra Sambava. Iarahana amin’ny manampahefana any an-toerana, indrindra ny mpisahana ny raharaham-pitsarana izao famotorana sy fanadihadiana lalina tanterahin’ny manampahefana ara-miaramila izao. Matin’ny mponina tany an-toerana nandritra ny fiarovantenan’ireto farany ireo telo lahy tamin’ny jiolahy valo izay avy nomono olona, ny zoma teo. Nandroba ny fananana sarobidy sy ny vola izy ireo  raha nihevitra fa efa maty ilay voatafika. Noratrain’izy ireo tamin’ny zava-maranitra mantsy ny lohany.

 

Mody maty

Nanao fihetsika efa toy ny maty ny tompon-trano. Nony lasa ireo jiolahy, nampandre ny manodidina izy izay mbola vonton-dra ka raikitra ny fanenjehana ireo dahalo. Ny telo tamin’ireo jiolahy izay

mbola nikasa handratra ny mponina tany an-toerana tamin’ny alalan’ny zava-maranitra efa nandratrany ny tompon-trano no voasambotra. Niaro tena avy hatrany ireo fokonolona ka izao niafara tamin’ny fahafatesan’ireo malaso izao. Izay tsy notafihin’ny dahalo sy jiolahy mpamono olona dia miseho ho mpiaro ny fanetriben’ny firenena tahaka izao. Amin’ny tany miady toy izao, rehefa tsy mahavoa ny fahavalo dia matiny, hoy ireo mponina any an-toerana. Andrasana ny tohin’ity raharaha ity.

 

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana