Dans la mme rubrique

Fanagadrana an’i Arphine Rahelisoa Niditra an-tsehatra ihany koa ny UPF

07/04/2020

Taorian’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) izay mitaky tsy misy fepetra ny famoahana, dia naneho ny heviny ary nanipika ny UPF (Union de Presse Francophone),

Fanagadrana an’i Arphine Rahelisoa Niditra an-tsehatra ihany koa ny UPF

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Hipoka olona hatrany ny maraina

07/04/2020

Taorian` ny kabarin` ny filoham-pirenena, izay nilaza fa nitarina 15 andro ny fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana eto amin` ny tany sy ny firenena dia toa lasa fahazarana sisa izany ankehitriny.

Antananarivo Hipoka olona hatrany ny maraina

Hamaky ny tohiny...

Frantsay nandao an’i Madagasikara Tsy mahatoky ny rafitra ara-pahasalamana eto…

06/04/2020

Sidina manokana avy any Lafrantsa " Boeing 777" no tonga teny Ivato naka ireo teratany Frantsay sy ireo Malagasy sasany mizaka ny zom-pirenena Frantsay nody any Frantsa ny sabotsy 4 aprily teo .

Frantsay nandao an’i Madagasikara Tsy mahatoky ny rafitra ara-pahasalamana eto…

Hamaky ny tohiny...

Fianakaviamben’ny mpanao gazety Avoahy i Arphine !

06/04/2020

Manoloana ny fanambarana nataona tompon’andraikitra iray eo anivon’ny rantsana miady amin’ny “cybercriminalité”

Fianakaviamben’ny mpanao gazety Avoahy i Arphine !

Hamaky ny tohiny...

Firaisan-kina Sino-Malagasy Nanolotra vola sy fitaovana ho an’ny CHU Anosiala

06/04/2020

Ny ady amin` ny COVID-19 no mbola ahamehana eto amin` ny firenena.

Firaisan-kina Sino-Malagasy Nanolotra vola sy fitaovana ho an’ny CHU Anosiala

Hamaky ny tohiny...

Guy Rivo Randrianarisoa “ Mora fantarina ny tena meloka…”

06/04/2020

Fantatro ary tena fantatro tsara i Arphine Helisoa eo amin'ny sehatr’asa fanaovan-gazety, hoy ny solombavambahoakan’i Madagasikara teo aloha, Guy Rivo Randrianarisoa.

Guy Rivo Randrianarisoa “ Mora fantarina ny tena meloka…”

Hamaky ny tohiny...

Omby nomena ny voafonja tany antsiranana Nolazain'ny mpitandron'ny filaminana fa omby halatra

06/04/2020

Mpangalatra omby iray fanta-daza any Antsiranana amin'ny fidirany sy fivoahany ny fonja no mbola nahazo fahafahana vonjimaika nivoaka ny fonjan'Antsiranana indray .

Omby nomena ny voafonja tany antsiranana Nolazain'ny mpitandron'ny filaminana fa omby halatra

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Afera 6 miliara ariary Lasibatry ny sonia halatra aho, hoy i Maharante

16/12/2019

Nambaran’i Maharante Jean De Dieu, minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra tamin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina fa lasibatry ny « sonia halatra »

 

 

 izy amin’ny raharaha vola 6 miliara Ariary tao amin’ny ARTEC (Autorité de Régulation des Technologies de Communication) iampangana azy. Nisy ny fanadihadiana nataon’ny IGE (Inspection Générale de l'Etat) ka nahasaringotra azy. « Gaga », aho hoy i Maharante satria « tsy mandalo teo imasoko ny atontan-taratasy mikasika vola tsy toko sy forohana izany ». « Nivarahontsana ny tenako sy ny fanahiko, ka hany hery dia nikisaka aloha naka saina ». Tsotra ny famoaham-bola FDTIC (Fonds pour le Développement des Technologies de l'Information et de la Communication) avy ao amin’ny ARTEC satria « sonian’ny minisitra sy Tale jeneralin’ny ARTEC dia mivoaka ny vola na ohatrinona na ohatrinona. Tsy misy pitsopitsony fangatahana TEF (Titre d'Engagement Financier).  Nohararaotin’ny sasany nanaovana sain-dratsy ny soniako namoahana vola, tsy mampandre ahy », hoy i Maharante Jean De Dieu. Nanondro Karana iray, mpandraharaha nahazo ny tsenan’asam-panjakana amin’ny fanamboarana « Centre d’Applications pour le Développement Numérique » eny Antanetibe Ivato izay « tsy mety natombony mihitsy noho ny antony tsy fantatra » sy ny « mpiray tsikombakomba aminy tao amin ny ministera » ho « nahavita izao heloka bevava izao » ity minisitra ity. Mino aho, hoy ity farany fa « 95%-ny atontan-taratasy famoaham-bola dia sonia halatra daholo na “signature scannée” no nahatonga io tarehimarika tsy roa aman-tany io ». Ambaran’i Maharante fa « nitondra ny vola tsy toko tsy forohana nandositra any Dubai » io Karana mpandraharaha io. Any amin’ny zanany any Paris, Frantsa kosa ity Minisitra teo aloha ity amin’izao fotoana izao.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana