Dans la mme rubrique

Naina Andriantsitohaina “Mila olom-baovao ny firenena…”

08/04/2020

Araka ny voalazan’ny Filohan’ny Repoblika, dia hapetraka ny komity « Loharano » eny anivon’ny Fokontany sy ny « secteurs ».

Naina Andriantsitohaina “Mila olom-baovao ny firenena…”

Hamaky ny tohiny...

Antoko Natiora “Nijoro ho Raiamandreny ny filoha Ravalomanana.”

08/04/2020

Ireny fijoroan’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, ireny no atao hoe fijoroana Raiamandreny, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, raha naneho ny heviny mikasika ny fivahinianan’ity filoham-pirenena teo aloha tamina fahitalavitra tsy miankina iray.

Antoko Natiora “Nijoro ho Raiamandreny ny filoha Ravalomanana.”

Hamaky ny tohiny...

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

07/04/2020

Re fa novaina ny toerana izay ipetrahan’i Mbola Rajaonah ao amin’ny fonjan’i Tsiafahy.

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana “Ho very eto isika raha tsy mifanampy”

07/04/2020

Miady amin’ny zavatra tsy fantatra sy tsy nampoizina, izay mila fahakingana. Tsy sanatriavin’ny vava mitady toerana sy mitady fahefana aho, fa te hanampy, te hizara traikefa, hoy i Marc Ravalomanana omaly tamina fandaharana manokana.

Marc Ravalomanana “Ho very eto isika raha tsy mifanampy”

Hamaky ny tohiny...

Mitohy ny fihibohana ! Mikatona ny sekoly, tsy misy fitateram-bahoaka…

06/04/2020

Tohizana ny ezaka efa natomboka, hoy ny filoha Andry Rajoelina nandritra ny kabariny halina ;

Mitohy ny fihibohana ! Mikatona ny sekoly, tsy misy fitateram-bahoaka…

Hamaky ny tohiny...

Fakan-kevitra Voahilika ireo hery politika sy fiarahamonim-pirenena

06/04/2020

Ny sabotsy lasa teo no nandray ireo filoham-piangonana eo anivon` ny FFKM, sy ireo filohanà andrim-panjakana,

Fakan-kevitra Voahilika ireo hery politika sy fiarahamonim-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Arphine Rahelisoa Tsy mbola fantatra ny daty hitsarana azy

06/04/2020

Fanalam-baraka, manosika ny olona tsy hitia ny filoham-pirenena no ambara fa vesatra hanenjehana an-dRahelisoa,

Arphine Rahelisoa Tsy mbola fantatra ny daty hitsarana azy

Hamaky ny tohiny...


Politique

Andry Rajoelina “Tsy hahaongana ahy izany ianareo !”

16/12/2019

Somary nanaitra ny resaka nataon’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny faran’ny herinandro lasa teo nandritra ny fanolorana ireo kamio hampiasain’ny SAMVA,

 

 

 

 izay misy resaka mandeha amin’izao fotoana izao fa kamio niaraka an’ireo nomena ny BNGRC tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina ireo. Izaho miezaka misintona ny firenena mba hiakatra fa misy olona vitsivitsy sasany mamatotra misakana mamingana ary mitetika ny handavo mihitsy fa izaho aloha tsy lavony fa izaho karateka. Izaho tsy lavony fa ny vahoaka maro an’isa nifidy ahy no jereko fa tsy olom-bitsy mitsikera, hoy i Andry Rajoelina. Miakatra ny maripana politika amin’izao fotoana izao, kanefa toa miendrika fihantsiana ady no ataon’ny filoha sy ny ekipany. Etsy an-daniny anefa dia tena niha mangatsiaka ny fanohanan’ny olona ny filoha ankehitriny. Ny tena famahana ny olam-bahoaka tsy mandeha amin’izay laoniny eto ary vao mainka mipetraka ny ahiahy. Na ara-politika na ara-tsosialy na ara-toekarena,… dia tena tsy milamina. Io lasa gidragidra sy tsy mampifankahazo ny samy andrim-panjakana dia ny antenimierandoholona sy ny mpanatanteraka tarihin’ny filoha io ny adihevitra nateraky ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. Ny resaka famahana ny olan’ny Jiro sy Rano tsy misy fa nesorin’ny fanjakana aza ny tohana ara-bola, izay mety hiafara amin’ny fampiharana ny vidiny tena izy (verité de prix) izany hoe hiakatra, raha ny fahitan’ny depiote TIM Fidèle Razapiera azy. Ny haban-tseranana alaina amin’ny mpandraharaha mpanafatra fiara anefa nohalefahana ka rehefa mahalafo vao haloa. Toa misy ekipan’ny filoha misehatra amin’io. Ny hetra alaina amin’ny gazy izay ny vitsy an’isa no mampiasa azy nofoanana. Ny hetra amin’ny katsaka, taorito, varimbazaha izay mety hahakasika ny sarambabem-bahoaka nokasaina hakarina,... Hahafaly ny maro an’isa ve izany ary tena fampandrosoana ny firenena ? Hafahafa ny fihetsika sy ny fanapahan-kevitry ny filoha, ary diso mahatoky tena amin’ny fahefany, ny volany, mety ny basy aman-tafondro ihany koa satria jeneraly maro no vao nasondrotra galona,… kanefa mila mitandrina sy mihaino ny hafa ihany.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana