Dans la mme rubrique

Be loatra ny ahiahy tsy hihavanana

08/04/2020

Tsy lavina fa ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana isika Malagasy amin’izao fotoana izao. Samihafa ny hamehana na ny “Etat d’Urgence”

Be loatra ny ahiahy tsy hihavanana

Hamaky ny tohiny...

Fotoana fibebahana

07/04/2020

Ao anatin’ny fankalazana ny herinandro masina moa ankehitriny ny mpino Kristianina.

Fotoana fibebahana

Hamaky ny tohiny...

Mitaky fahamatorana

06/04/2020

Raha misy ny lesona iray tena lehibe tokony ho tsoahan’ny tsirairay, amin’izao fandalovan’ny Coronavirus izao na olom-pirenena io na mpitondra fanjakana dia ny fandaminana.

Mitaky fahamatorana

Hamaky ny tohiny...

Marimpana hafahafa

04/04/2020

Naman’ny atao hoe tontosa izany aloha izay ny andiany voalohany tamin’ny fisedran’i Madagasikara ny fihibohana an-trano hiarovan-tena amin’ny

Marimpana hafahafa

Hamaky ny tohiny...

Mampiroaroa saina

03/04/2020

Adihevitra hatrany am-piandohana ny momba ny fifehezana ny fidiran’ny valanaretina coronavirus, ka nivoahan’ny resaka fanakatonana sisin-tany na fampitsaharana ny sidina avy any Eoropa.

Mampiroaroa saina

Hamaky ny tohiny...

Aiza ny fihainoana ny hafa?

02/04/2020

Na dia miezaka ny mampitony sy mampiseho amin’ny vahoaka malagasy fa mahafehy an’ity fahavalom-pirenena iombonantsika ankehitriny ity aza ny

Aiza ny fihainoana ny hafa?

Hamaky ny tohiny...

Resy ny valalabemandry

01/04/2020

Roa herinandro latsaka kely izay no nihatra teto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny hamehana ara-pahasalamana.

Resy ny valalabemandry

Hamaky ny tohiny...


Edito

Edito Maika tsy faingana

16/12/2019

“Maika ho aiza isika ?”, hoy ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety nisy ilay raharaha angidimby nampanantsoina mpanao gazety andro alahady indray maka iry.

 

Hatramin’izao dia hita ho mbola mitombina ary tsy mety voavaly io fanontaniana io manoloana ny fihazakazaky ny raharaham-pirenena. Nodinihina kimaimaika teny amin’ny antenimieram-pirenena ny lalàna hifehy ny tetibolam-panjakana ho amin’ny taona ho avy dia avy eo noterena an-kolaka hanao toy izany koa ny teny amin’ny lapa maitso ary mampametra-panontaniana mihitsy hoe fa inona no antony no dia tonga hatramin’ny fihetsika manositosika raiamandreny mihitsy avy eo nony naverina teny Tsimbazaza indray ny fandinihan-draharaha. Izao izany no tonga amin’ilay fiantso hoe maika tsy faingana na koa hoe mba mihazakazaka fatratra ihany fa na ny lalan-kizorana aza tsy fantatra akory hoe mby ho aiza ? Ny raharaham-pirenena no mandeha. Ekena fa ny raharaham-pampandrosoana kosa dia tontosa aloha izay ny 11 volana latsaka nolazain’ny filoham-pirenena fa tokony hahavitan-javatra tsy vita tao anatin’ny 10 taona eo ho eo kanefa dia miara-mahita ny rehetra hatreto fa mbola firenena miady ho gisitra ary ao anatin’ny 4 mahantra indrindra eto ambonin’ny tany i Madagasikara.  Maika tsy faingana ho aiza fotsiny izany izao fitondrana izao sa mbola hamerina ny fiainana amboletra tamin’ny fotoam-panonganam-panjakana hatrany ka na tetikasa efa hamono vahoaka aza dia mbola hatao letrezana foana ? Iza moa no tsy manaiky fa tsara ny Tanamasoandro saingy tsy efa nazavaina ve fa misy vakoka maro sy vahoaka ahiana ho potika sy tsy hanan-kialofana eny Ambohitrimanjaka eny raha mbola hodongiana hanaovana an’izany ? Madagasikara midadasika feno tany mbola malalaka be fotsiny ity ve dia tsy hahafahana manorina tanàna vaovao raha tsy ao anatina tanana mbola velona ?

J. Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana