Dans la mme rubrique

Naina Andriantsitohaina “Mila olom-baovao ny firenena…”

08/04/2020

Araka ny voalazan’ny Filohan’ny Repoblika, dia hapetraka ny komity « Loharano » eny anivon’ny Fokontany sy ny « secteurs ».

Naina Andriantsitohaina “Mila olom-baovao ny firenena…”

Hamaky ny tohiny...

Antoko Natiora “Nijoro ho Raiamandreny ny filoha Ravalomanana.”

08/04/2020

Ireny fijoroan’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, ireny no atao hoe fijoroana Raiamandreny, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, raha naneho ny heviny mikasika ny fivahinianan’ity filoham-pirenena teo aloha tamina fahitalavitra tsy miankina iray.

Antoko Natiora “Nijoro ho Raiamandreny ny filoha Ravalomanana.”

Hamaky ny tohiny...

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

07/04/2020

Re fa novaina ny toerana izay ipetrahan’i Mbola Rajaonah ao amin’ny fonjan’i Tsiafahy.

Mbola Rajaonah Natoka-monina tanteraka …

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana “Ho very eto isika raha tsy mifanampy”

07/04/2020

Miady amin’ny zavatra tsy fantatra sy tsy nampoizina, izay mila fahakingana. Tsy sanatriavin’ny vava mitady toerana sy mitady fahefana aho, fa te hanampy, te hizara traikefa, hoy i Marc Ravalomanana omaly tamina fandaharana manokana.

Marc Ravalomanana “Ho very eto isika raha tsy mifanampy”

Hamaky ny tohiny...

Mitohy ny fihibohana ! Mikatona ny sekoly, tsy misy fitateram-bahoaka…

06/04/2020

Tohizana ny ezaka efa natomboka, hoy ny filoha Andry Rajoelina nandritra ny kabariny halina ;

Mitohy ny fihibohana ! Mikatona ny sekoly, tsy misy fitateram-bahoaka…

Hamaky ny tohiny...

Fakan-kevitra Voahilika ireo hery politika sy fiarahamonim-pirenena

06/04/2020

Ny sabotsy lasa teo no nandray ireo filoham-piangonana eo anivon` ny FFKM, sy ireo filohanà andrim-panjakana,

Fakan-kevitra Voahilika ireo hery politika sy fiarahamonim-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Arphine Rahelisoa Tsy mbola fantatra ny daty hitsarana azy

06/04/2020

Fanalam-baraka, manosika ny olona tsy hitia ny filoham-pirenena no ambara fa vesatra hanenjehana an-dRahelisoa,

Arphine Rahelisoa Tsy mbola fantatra ny daty hitsarana azy

Hamaky ny tohiny...


Politique

Rina Randriamasinoro « Tena sahy aho matoa nirotsaka... »

16/12/2019

Mbola haveriko ny teniko tamin'ny vao nirotsaka ary nohamafisiko tamin'ny faradoboka hoe izahay aza anaovana zavatra hafahafa fa isika samy nosoran-dreniny menaka, hoy i Rina Randriamasinoro hentitra dia hentitra ny sabotsy teo nanoloana ireo vahoaka tonga teny amin’ny Magro Behoririka.

 

 

 

Fahamarinana no tadiavintsika. Mbola hamafisiko izay. Misy ny efa zatra ny lalan-dririnina tamin'ny fifidianana filoha sy depiote fa aza manao hitsin-dalana aloha amin'ity indray mitoraka ity. Matoa aho nirotsaka ben'ny tanàna dia tena vonona hatramin'ny farany ary tsy afaka ny hamela fotsiny ireo vahoaka mitaky ny fahamarinana. Isaorana antsika satria mbola betsaka ny olona tia ny fahamarinana. Mbola betsaka no mbola tia an'i Madagasikara, tia an'Antananarivo, mbola mitsinjo ny taranaka faramandimby handeha amin'ny fahamarinana, hoy izy.  Nambarany fa tsy misy mitady eto hoe ataovy mandresy aho na ataovy lany i anona na i anona fa ny fahamarinana havoaka dia ampy izay fa raha mbola mahita tsy fahamarinana dia hitaky foana. Nilaza ny tsy hitarika ny vahoaka hijanona herintaona na 2 volana na 1 volana izy. Manaraha fotsiny ny toromarika sy fandaminana. Tsy mitady korontana na sanatria hanongam-panjakana. Misy teknika ny fitadiavana ny marina, ka tsy misy olona hijanona eto amin’ny Magro Behoririka foana fa hitantsika ny lalana. Tsy raharahan'ny TIM irery fa mila fijoroan'ny rehetra. Hitan'izao tontolo izao io, hitan'ny fikambanana iraisam-pirenena ary efa misy manampy isika. Ny olona rehefa hiady dia tsy hotenenina ampahibemaso fa araho tsara fotsiny ny toromarika, hoy i Rina Randriamasinoro tamin’ireo vahoaka tonga tetsy amin’ny Magro.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana