Dans la mme rubrique

Holafitry ny mpanao gazety Tsy manaiky ny ramatahora atao amin’ny mpanao gazety

17/01/2020

Nampiaka-peo ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara, Gérard Rakotonirina, omaly, tetsy amin’ny Bon Accueil Ambatonakanga,

Holafitry ny mpanao gazety Tsy manaiky ny ramatahora atao amin’ny mpanao gazety

Hamaky ny tohiny...

Raharaha 65 000Ar Misy mikomy ny miaramila ?

16/01/2020

Somary nanaitra ny nahita mpitandro filaminana niatrana am-bava basy toy ireny handrava sy hanakana hetsi-bahoaka ireny tetsy amin’ny Toby Ampahibe izay misy ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena. Tsy dia fahita matetika teny an-toerana io.

Raharaha 65 000Ar Misy mikomy ny miaramila ?

Hamaky ny tohiny...

Mpianatra midina an-dalambe Efa fambara ratsy ho an-dRajoelina

15/01/2020

Miitatra toy ny sima misioka ny olan’ny fampianarana. Nidina an-dalambe sy tonga nandrava ny mpianatra teny amin’ny Lisea Analamahitsy ny mpianatry ny sekoly teknika LTP Alarobia omaly maraina.

Mpianatra midina an-dalambe Efa fambara ratsy ho an-dRajoelina

Hamaky ny tohiny...

Lalàna VBG Neken’ny HCC

14/01/2020

Nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny lalàna miady amin’ny herisetra mianjady amin’ny maha lahy na ny maha vavy.

Lalàna VBG Neken’ny HCC

Hamaky ny tohiny...

Angovo azo avy amin’ny rivotra Tamin’ny 2012 no hatao, tsy hita popoka hatramin’izao

13/01/2020

Fito taona lasa izay, izany hoe ny 11 janoary 2012 no nanambara ampahibemaso nandritra ny lanonana fifampiarahabana tamin’ireo

Angovo azo avy amin’ny rivotra Tamin’ny 2012 no hatao, tsy hita popoka hatramin’izao

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran`ny tontolo iainana Mihenjan-droa ny tady eo amin`ny minisitra sy ny mpiasa

13/01/2020

Tanjona napetraky ny fitondram-panjakana ny handrakofana ala indray eto Madagasikara.

Minisiteran`ny tontolo iainana Mihenjan-droa ny tady eo amin`ny minisitra sy ny mpiasa

Hamaky ny tohiny...

Haino aman-jerim-panjakana Miha mangotraka ny raharaha

13/01/2020

Naparitaka haingana dia haingana tamin’ny tambajotran-tserasera omaly ny resaka nentina nilazana fa misy mikononkona fikomiana ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana TVM sy RNM izay manome ny ORTM.

Haino aman-jerim-panjakana Miha mangotraka ny raharaha

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fanapoizinana ara-tsakafo Mpanjifa enina saika matin’ny maiônezy

06/12/2019

Olona enina narary mafy, saika tsy avotra raha tsy naiditra hopitaly, efa nakaton’ny fitondram-panjakana ireo mpivarotra hani-masaka teny Ambolokandrina.

 

 

 

 

 Ireo no vokatry ny «mayonnaise» efa nivadika tamin’ny “composé”, ny zoma teo. Ankoatra ireo mpandalo, enina no voan’io fanapoizinana ara-tsakafo mahery vaika io teny amin’ny manodidina ka tratran’ny aretin-kibo narahina fivalanana.

Efa nentina nitsindrona teny amin’ny mpitsabo manodidina ireo narary fa tany Befelatanana vao sitrana omaly sy afak’omaly, raha ny filazan’ny fianakavian’ny lasibatra. Nandray fepetra vokatr’izany avy hatrany ny manampahefana eo anivon’ny ministera mpiahy sy ireo mpiandraikitra eny ifotony ka nakatona avokoa ireo mpivarotra hani-masaka eny an-toerana.

Mpivarotra hôtely sy hanimasaka vitsy eto an-drenivohitra no be mpanjifa hatrany, tahaka ilay eo Ampefiloha. Andalovana sy tazan’ny mpisakafo mantsy ny lakozia fikarakarana. Mitaky fenitra ny sakafo masaka, tsy ny fitaratra misy azy ireny ihany no itarafana azy ireo fa hatramin’ny rano fanasam-dovia aman-tsotro koa aza.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana