Dans la mme rubrique

PM Ntsay Christian “Ny filoha no tompon`ny teny farany”

17/01/2020

Maro ny mpanara-baovao miandry amin`izay mety ho firafitry ny mpikambana eo anivon`ny governemanta.

PM Ntsay Christian “Ny filoha no tompon`ny teny farany”

Hamaky ny tohiny...

Tabera Randriamanantsoa “Fa atao sangisangy ve ny fitantanana firenena e ?”

17/01/2020

Nivoaka nanomboka ny faran`ny herinandro teo ny tolotrasa avy amin`ny fiadidiana ny repoblika.

Tabera Randriamanantsoa “Fa atao sangisangy ve ny fitantanana firenena e ?”

Hamaky ny tohiny...

Gadra politika « Manana manampahaizana, miaramila, vahoaka izahay ! »

17/01/2020

Nihaona tamin’ny mpikamban’ny komitin’ny fampihavanana malagasy tetsy amin’ny biraon’ny CFM Ampefiloha omaly ny avy eo anivon’ny federasionin’ny gadra politika na FEDEP, tarihin’ny filoha nasionaliny, Henri Rakotomalala na Riribe.

Gadra politika « Manana manampahaizana, miaramila, vahoaka izahay ! »

Hamaky ny tohiny...

Naina Andriantsitohaina “Tsy manam-pahavalo aho”

17/01/2020

Tontosa omaly tamim-pilaminana sy fifanajana tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely teo amin’ny ben’ny tanàna teo aloha Rtoa Lalao Ravalomanana sy ny ben’ny tanàna vaovao Atoa Naina Andriantsitohaina,

Naina Andriantsitohaina “Tsy manam-pahavalo aho”

Hamaky ny tohiny...

Fitondram-panjakana Lany andro manazava, tsy miroso ny asa

17/01/2020

Manomboka lany andro manazava sy mandresy lahatra ity fitondram-panjakana mijoro eto Madagasikara ity.

Fitondram-panjakana Lany andro manazava, tsy miroso ny asa

Hamaky ny tohiny...

Famerenana fifidianana any Tsihombe Mandà mafy ny vahoaka

17/01/2020

Araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana any amin’ny faritanin’i Toliara momba ny voka-pifidianana ben`ny tanàna tany amin’ny kaominina Tsihombe Androy, dia haverina ny fifidianana any an-toerana.

Famerenana fifidianana any Tsihombe Mandà mafy ny vahoaka

Hamaky ny tohiny...

Mikorontana ny fanjakana Mitokona ny mpiasan’ny ministeran’ny jono

17/01/2020

Mitokona ary mangataka ny tsy hikambana amin’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana intsony ny mpiasan’ny minisiteran’ny jono.

Mikorontana ny fanjakana Mitokona ny mpiasan’ny ministeran’ny jono

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fahamarinana amin’ny fifidianana Tsy raharahan’ny antoko TIM irery intsony

06/12/2019

Tsy afaka tsy hiresaka ny manodidina ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina isika satria mivoatra ny vaovao.

 

 

 

Namaly ny CENI rehefa misy ny kandidà nangataka fampitahana ny lisi-pifidianana izay nampiasaina tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo sy ny lisi-pifidianana izay nosoniavin’ny mpifidy farany teo. Raha hazavaina tsotra dia nanambara ny CENI ny amin’ny hoe tsy manampahefana hiroso amin’ny fikitihana ny fampitahana ny lisi-pifidianana izany satria dia hoe saropady izany. Koa maninona nosokafana sy nokitihina ilay lisi-pifidianana, izay efa nofaranana ny 15 mey lasa teo,  ny volana jolay teo ? Io lisitra io anefa no voatondro fa nentina nanatanterahana ny fifidianana kaominaly sy monisipaly farany teo. Lisitra izay efa tsy azo kitihina sy sokafana intsony, araka ny voatondron’ny lalàm-pifidianana. Nitondra fanazavana moa ny teo anivon’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), ny alarobia lasa teo, izay nangataka fampitahana nilaza ny fananterana ny fitakiana ho fiarovana ny rariny sy ny marina. Marihana hatrany fa tsy raharahan’ny antoko TIM irery ity fitakiana ny fahamarinana amin’ny fifidianana fa maro ihany koa no mitaky ny mangarahara. Mandrangaranga ny tsy fanekena io voka-pifidianana io manerana ny nosy toy ny Toamasina, Vohemar, Betafo…. Andrasana ny fivoarana satria nandrangaranga nitaky ny fahamarina hatramin’ny farany ireo antoko.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana