Dans la mme rubrique

Fanisana fitaovam-piadiana 100 ny basy voaisa sy voamarina ara-dalàna isan’andro

17/01/2020

Nandray ny solontena avy eo anivon'ny zandarimariam-pirenena eny amin'ny faritra samihafa ny Jeneraly Rasolonirina Roger,

Fanisana fitaovam-piadiana 100 ny basy voaisa sy voamarina ara-dalàna isan’andro

Hamaky ny tohiny...

Mpifankatia teny Ambohipo Efa nanindry mandry ilay tovovavy ny fahafatesany…

17/01/2020

Telo andro taorian’ny filazan’ilay tovovavy mahakasika ny fitehirizany ny sarin’ny olon-tiany aorian’ny fahafatesana no maty ilay tovovavy iray.

Mpifankatia teny Ambohipo Efa nanindry mandry ilay tovovavy ny fahafatesany…

Hamaky ny tohiny...

Betampona Fenoariavo Atsinanana Nampiakatra ny raharaha ny kandida Rakoto Justin

17/01/2020

Nampiakatra ny raharaha any amin’ny filankevi-panjakana ny kandida N°2 Rakoto Justin, izay efa nambaran’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ao Toamasina fa lany ho ben’ny tanàna ao amin’ny Kaominina Betampona any Fenoarivo Atsinanana.

Betampona Fenoariavo Atsinanana Nampiakatra ny raharaha ny kandida Rakoto Justin

Hamaky ny tohiny...

HALATRA OMBY ANOSIKELY MAEVATANANA Tratran’ny miaramila ny dahalo mpamono olona

17/01/2020

Mihorohoro amin’ny tsy fandriampahalemana indray ny vahoakan’i Maevatanana. Jiolahy raindahiny roa no saron’ny miaramila tamin’ity herinandro ity.

HALATRA OMBY ANOSIKELY MAEVATANANA Tratran’ny miaramila ny dahalo mpamono olona

Hamaky ny tohiny...

LATSAK’ALINA AMBATOFOTSY Mirongatra ny halatra fandripahana legioma

17/01/2020

Nahazo vahana ny hala-botry amin’ny alina amin’iny faritra mihazo an’Ambatofotsy, Atsimondrano iny.

LATSAK’ALINA AMBATOFOTSY Mirongatra ny halatra fandripahana legioma

Hamaky ny tohiny...

Andravoahangy Mandialaza Nandoa ra, avy eo tapitra ny ainy

16/01/2020

Nandoa ra be ary minitra vitsy dia tapitra ny ain’ilay tovolahy tetsy Mandialaza Ankadifotsy, hoy ny fanazavana.

Andravoahangy Mandialaza Nandoa ra, avy eo tapitra ny ainy

Hamaky ny tohiny...

Andravoahangy Mirongatra ny mpamaky trano sy mpanendaka amin’ny alina

16/01/2020

Mandry tsy lavo loha ireo mponina amin’ny faritra Andravoahangy, raha ny fampitam-baovao voaray.

Andravoahangy Mirongatra ny mpamaky trano sy mpanendaka amin’ny alina

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Fifamoivoizana Hosaziana ireo kodiaran-droa miakatra « trottoir»

04/12/2019

Araka ny fitarainana tonga eo anivon’ny mpitandro filaminana, mitebiteby ireo mpandeha an-tongotra, misy aza ireo voadona ka maratra noho ny afitsok’ireo mpanamory kodiaran-droa.

 

 

Mamonjy miakatra «troittoir » ireo bisikileta sy môtô, indrindra ny scooter eny amin’ireo lalana ahitana tohambohivohy. Hiditra amin’ny zohim-pampitam-baovao sy seraseran’ny fanentanana toy ny mahazatra ny mpitandro filaminana, handray andraikitra ary mety ho tonga hatrany amin’ny fanasaziana. «Afaka mandefa ny tarainany any amin’ny mpitandro filaminana akaiky azy ny olom-pirenena rehetra, mba ahafahan’ireo farany mifehy ny toe-draharaha. », hoy ireo  komisera tompon’andraikitry ny polisy misahana ny fifamoivoizana eto Antananarivo, tamin’ny tafa ho an’ny mpanao gazety teo Analakely.

Ny harivan’io afak’omaly nampitan’ny polisy hafatra io, nisy mpandeha an-tongotra voatrongin’ny môtô scooter amin’ny lalana anaty fitohanana avy aty Anosy ho any Soanierana. Niakatra « troitoir » tampoka ilay môtô izay nentin’ny raim-pianakaviana, nitondrany ny vady aman-janany. Tsy tafakatra avy hatrany anefa izy fa nibolisatra ka nanitsy tany amin’ilay mpandeha an-tongotra izy telo mianaka ka nitsikasina tamin’ny tany. Vaky ra ny sandrin’ilay renim-pianakaviana ary nitomany mikiakiaka mafy voatsindrin’ny môtô ilay zaza kely sahabo ho 3 taona.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana